• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Claire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Marina ve ny filazana fa tsy tokony hisotro rano mandritra ny sakafo ?

24/08/2026 13:25 © Moov.Mg

Fahazarana mahazatra ny olona maro ny misotro rano mandritra ny sakafo. Misy anefa ny mihevitra fa mety hanelingelina ny fandevonan-kanina izany satria hono mety hampihena ny herin’ny « sucs gastriques » na hampisy « ballonnements ». Marina àry ve izany fiheverana izany ? Tsy tokony hisotro rano tokoa ve mandritra ny sakafo ?

Tsy manakana ny fandevonan-kanina ny fisotroana rano mandritra ny sakafo

Ny fisotroana rano mandritra ny sakafo dia tsy mampihena ny herin’ny « sucs gastriques » na hoe manakorontana ny fandevonan-kanina. Mahavita mandrindra tsara ny tontolo ao anatiny ny vavony ary afaka manohy tsara ny dingan’ny fandevonan-kanina. Ho an’ny olona salama dia tsy mampiadana be na manakana ny fandevonan-kanina ny fisotroana rano amin’ny antonony mandritra ny sakafo.

Inona no mahatonga ny olona sasany mahatsapa tsy mahazo aina ?

Na dia tsy manohitohina ny fandevonan-kanina aza ny rano dia mety hahatonga olona sasany hahatsapa toy ny mavesabetsaka ny kibo ny fisotroana azy be loatra mandritra ny sakafo. Efa feno sakafo tokoa mantsy ny vavony ka rehefa ampiana rano be dia mety hampitombo vetivety ny fahatsapana hoe voky be na mizihitra ny kibo. Ny zava-pisotro misy entona ihany koa dia mety hampitombo ny fandrezatana sy ny tsy fahazoana aina ao amin’ny kibo noho izy misy entona (gaz).

Mety hanampy ny fandevonan-kanina aza ny fisotroana

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiasan’ny vatana ny rano, ka anisan’izany ny dingan’ny fandevonan-kanina. Ny fisotroana rano kely mandritra ny sakafo dia afaka manampy amin’ny fanalefahana ny sakafo sy hanamora ny fitelomana azy. Mety tena mahasoa àry izany, indrindra rehefa mihinana sakafo maina na sakafo be fibra.

Ny karazana zava-pisotro no tena tokony hotandremana

Tsy voatery ny fisotroana mandritra ny sakafo no olana fa miankina betsaka amin’ny zavatra sotroina. Ny zava-pisotro misy entona, ny zava-pisotro be siramamy ary ireo zava-pisotro be kaloria dia mety hampitombo tsy fidiny ny tahan’ny siramamy sy ny kaloria raisin’ny vatana. Ny alikaola kosa dia mety hiteraka voka-dratsy maro amin’ny fahasalamana ary tsy tokony hosotroina mandritra ny sakafo.

Tokony sotroina aloha sa aorian’ny sakafo ny rano ?

Tsy misy fitsipika manokana milaza fa tsy maintsy mialoha na aorian’ny sakafo no tokony misotro rano. Ny fisotroana rano ampy mandritra ny tontolo andro no zava-dehibe.
Raha mahatsapa ho mavesatra na miziriziry ny kibo rehefa misotra betsaka mandritra ny sakafo dia azo atao ny misotro tsikelikely eo anelanelan’ny sakafo.

Lire la suite

Articles Similaires