« Baba au rhum » : fomba tsotra hikarakarana azy ao an-trano
Isan’ireo mofomamy malaza amin’ny « pâtisserie » frantsay ny « baba au rhum ». Malemy sy matsiro izy ity, ary ny tena mampiavaka azy ny « sirop » manitra misy « rhum » atao aminy. Matetika moa dia aroso miaraka amin’ny « crème fouettée » izy io. Raha maniry hanamboatra « baba au rhum » ao an-trano dia atoro eto ny fomba tsotra fikarakarana azy.
Ireo akora ilaina raha hanao « baba au rhum »
Ho an’ny baba
-Lafarinina 250 g ;
-Levure boulangère vaovao 10 g na levure maina 4 g ;
-Atody 3 ;
-Siramamy 50 g ;
-Dibera 80 g ;
-Sira kely ;
-Ronono matimaty 60 ml ;
Ho an’ny sirop misy rhum
-Rano 250 ml ;
-Siramamy 150 g ;
-Rhum ambré 80–100 ml ;
-Hoditry ny voasary na voasarimakirana 1 ;
Siramamy vanillé 1 sachet ;
Ho an’ny haingony
-Crème liquide entière 20 cl, mangatsiaka tsara
-Siramamy glace 1–2 sotro fihinanana
-Voankazo vaovao na voankazo confit, raha tiana
Fomba fanamboarana
-Omanina ny paty
Atao ao anaty lovia ny lafarinina, siramamy ary sira. Ampiana ny levure, avy eo arotsaka tsikelikely ny atody sy ny ronono matimaty.
Kapohana na volavolaina mandritra ny minitra vitsivitsy mandra-pahazoana paty malefaka sy mitovy tsara. Alefa tsikelikely ny dibera malemy, dia tohizana ny famolavolana mandra-pifangaroany tsara.
Saromana lovia ary avela hiakatra mandritra ny adiny iray eo ho eo, amin’ny toerana mafana. Tokony ho saika hitombo avo roa heny ny haben’ny paty.
-Andrahoina ny baba
Hosorana dibera tsara ny « moule baba ». Araraka ao ny paty, fa tsy fenoina mihoatra ny antsasaky ny « moule » satria mbola hitombo izy rehefa andrahoina.
Avela hipetraka 20–30 minitra indray, avy eo atao anaty lafaoro efa nafanaina mialoha tamin’ny 180 °C, mandritra ny 20–25 minitra eo ho eo. Tokony ho lasa volontany volamena ny lokony.
Avela hangatsiaka kely izy vao esorina ao anaty « moule ».
-Omanina ny sirop misy rhum
Atao anaty vilany ny rano, siramamy, siramamy vanillé ary ny hoditry ny voasary na ny ranon’ny voasarimakirana. Ampangotrahina moramora mandritra ny minitra vitsivitsy.
Esorina eo ambony afo, avela hangatsiaka kely, ary avy eo vao arotsaka ny rhum. Izany fomba izany dia ahafahana mitahiry kokoa ny hanitra avy amin’ny rhum.
-Hamandoana amin’ny sirop ny baba
Apetraka ao anaty lovia lalina ny baba ary arotsaka tsikelikely eo amboniny ny sirop. Ahodina moramora izy mba hahazo sirop tsara ny lafiny rehetra.
Avela hisintona ny sirop mandritra ny minitra vitsivitsy. Io no mahatonga ny baba ho tena malemy sy feno tsiro.
-Haingoina sy aroso
Kapohina miaraka amin’ny sucre glace ny crème liquide mangatsiaka mandra-pahazoana crème chantilly.
Fenoina crème chantilly ny afovoan’ny baba. Azo ampiana mananasy, voaroy, voaloboka maina na fruit confit ihany koa, raha tiana.




