• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Te hihinana masira foana : inona no mety ho antony ?

23/02/2026 16:26 © Moov.Mg

Ara-dalàna ny faniriana sakafo masira indraindray. Rehefa lasa matetika, mafy na tsy mety tapaka kosa nefa io faniriana io dia mety ho hafatra avy amin’ny vatana izany. Manana anjara asa lehibe amin’ny fiasan’ny vatana tokoa mantsy ny sira (sodium). Koa inona marina àry no mety tadiavin’ny vatana rehefa manosika antsika te hihinana zavatra masira foana izy ?

Te hihinana masira foana : avy amin’ny tsy fahampian’ny « sodium »

Ilain’ny vatana ny « sodium » satria izy io no manampy amin’ny fandanjalanjana ny rano ao amin’ny vatana, fandefasana hafatra mankany amin’ny saina, fikainkonan’ny hozatra, fifehezana ny tosidra…
Raha very be ny « sodium » — ohatra noho ny hatsembohana tafahoatra, aretim-pivalanana, mandoa, na fanatanjahan-tena mafy — dia mety hangataka sira ny vatana mba hamerenana ny fifandanjana. Ny mpanao fanatanjahantena, ny olona miasa amin’ny hafanana be, na ireo mora tsemboka dia mety hahatsapa faniriana masira bebe kokoa.

Tsy fahampian-drano

Indraindray dia mety avy amin’ny tsy fahampian-drano no mahatonga ny faniriana hihinana sakafo masira. Rehefa kely loatra ny rano ao amin’ny vatana dia mikorontana ny fifandanjana eo amin’ny « sodium » sy ny rano. Mety hampitombo ny faniriana sakafo masira izany.
Alohan’ny hihinanana zavatra masira, dia mila manontany tena hoe : « Efa nisotro rano ampy ve aho androany ? »

Rarintsaina sy havizanana

Misy fiantraikany mivantana amin’ny filàna sakafo ny rarintsaina. Mandray anjara amin’ny fifehezana ny « sodium » ihany koa ny taova mpamokatra hormonina (antsoina hoe glandes surrénales) izay mamokatra ny hormonina “cortisol”.
Rehefa maharitra ela ny rarintsaina na rehefa reraka loatra ny vatana dia mety hitombo ny faniriana sakafo masira. Indraindray dia tsy tena tsy fahampian-tsira no anton’izany, fa filàna hampitoniana ny vatana sy ny saina. Ny sira ihany koa moa dia mampihetsika ny faritra ao amin’ny atidoha mifandray amin’ny fahafaham-po, toy ny ataon’ny siramamy.

Tosidra ambany

Ny olona manana tosidra ambany dia mety haniry sira bebe kokoa, satria ny « sodium » dia manampy mampiakatra kely ny tosidra.
Amin’ny tranga sasany, dia mety mifandray amin’ny olana eo amin’ny hormonina, toy ny « maladie d’Addison » izay tsy fahampian’ny fiasan’ny taova mpamokatra hormonina. Raha izay no mitranga dia mila manantona mpitsabo.

Rahoviana no tokony manatona mpitsabo ?

Tsy tokony hampanahy raha indraindray ihany no te hihinana sakafo masira. Saingy ilaina kosa ny manatona mpitsabo raha miaraka amin’ireto soritr’aretina ireto izany :
-Havizanana tafahoatra sy tsy mitsaha-mitombo,
-Fanina matetika,
-Fihenan-danja tsy fantatra mazava ny antony,
-Fisian’ny krampy amin’ny hozatra
-Mangetaheta tafahoatra.
Ny fanaovana fitiliana rà dia afaka manampy amin’ny famantarana ny tahan’ny « sodium » ao anatin’ny rà mba hahafahan’ny mpitsabo manome ny fitsaboana hanamarinana izany.

Lire la suite

Articles Similaires