Filohan’ny Fanavaozana lasa any Frantsa : Misokatra amin'ireo firenena mety hahitana tombontsoa i Madagasikara
Nanainga androany tolakandro hihazo an’i Frantsa ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kôlônely Randrianirina Michaël. Nambarany, teny am-piaingana, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, fa tafiditra ao anatin’ny pôlitikan’ny fifandraisana iraisam-pirenena napetrak’izao fitondrana Fanavaozana izao ny fisokafana amin’ny firenena rehetra.
Fitsidihana arak’asa
Ny sabotsy 21 febroary lasa teo no tafaverina avy any Rosia ny filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël, ary androany 23 febroary 2026 dia nanainga ho any Frantsa indray izy. Raha ny fandaharam-potoana ôfisialy dia rahampitso izy no horaisin’ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron, ao amin’ny Lapan’i Élysée. Notsipihin’ny filohan’ny Fanavaozana, teny am-piaingany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, fa tsy misy ifandraisany amin’ny dia nataony tany Rosia ity fitsidihana hotanterahina any Frantsa ity. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara dia efa fotoana elaela ihany no nanomanan’ny Firenena roa tonta ity fitsidihana arak’asa ity.
Nanamafy ny kôlônely Randrianirina Michaël fa « i Madagasikara dia misokatra tanteraka amin’ireo Firenena maneran-tany izay mety hahazoan’ny Vahoaka Malagasy tombontsoa. Notsiahiviny fa kolontsaina mampiavaka ny Malagasy ny fihavanana ary firenena natao handray vahiny i Madagasikara. Izany indrindra no antony isokafana amin’ireo firenena rehetra vonona hitondra fanohanana, ho fampandrosoana ity firenena ity.
Fanamafisana ny fifandraisana
Ity no fitsidihana voalohany hotanterahin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, any Frantsa. Horesahina mandritra ny fiaraha-misakafo arak’asa hiarahan’ny filoham-panjakana roa tonta ny momba ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny lapan’i Elysée. Hodinihina ao anatin’izany ireo asa azon’i Frantsa tanterahina, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena, mba hahafahana manohana ny malagasy, indrindra ny tanora, ao anatin’ireo dingana mankany amin’ny Fanavaozana.
Teo am-piondranana dia nosavain’ny teo anivon’ny fadintseranana ny entana nentin’ny kôlônely Randrianirina Michaël, na dia tsy voatery handalo izany aza izy, noho ny andraikitra sahaniny. Notanterahina kosa anefa izany fisavana izany, mba hampahatsiahivana ireo mpiasan’ny fadintseranana fa andraikitra lehibe no sahanin’izy ireo amin’ny maha-vavahadin’i Madagasikara ny seranam-piaramanidina. Tokony hatao rahateo izany, mba ho fisorohana ny mety ho fivoahan’ny harem-pirenena an-tsokosoko, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana.




