• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Planete Sante
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Ireo fahazarana mamizana antsika nefa tsy tsikaritra

23/02/2026 10:57 © Moov.Mg

Tsy voatery ho avy amin’ny tsy fahampian-torimaso foana ny havizanana. Maro ny olona mahatsapa ho reraka na dia efa mihezaka tsy mandrera-tena aza. Raha ny marina dia misy fahazarana amin’ny andavanandro, izay heverina tsy mampaninona, kanefa mandany hery tsikelikely ary tsy tsikaritra. Ireto avy àry ny santionany amin’ireo fahadisoana mahazatra mamizana antsika… nefa tsy tsapantsika akory.

Matory… fa tsy araka ny tokony ho izy

Maro no mihevitra fa ny isan’ora fatoriana no zava-dehibe indrindra mba hahafahan’ny vatana miala sasatra sy manovo hery vaovao. Kanefa tena ilaina koa ny kalitaon’ny torimaso. Ny fandehanana matory amin’ny ora tsy voafaritra, ny fijerena finday alohan’ny hatory, na ny fatoriana amin’ny efitra be hazavana dia manakorontana ny gadona voajanahary (rythme biologique) ao amin’ny vatana. Vokany, tsy mahazo torimaso lalina sy mamelombelona ny ati-doha, ka mbola mahatsiaro ho mavesatra sy reraka isika rehefa mifoha, na dia natory adiny valo aza.

Mampiasa efijery tsy an-kiato

Rehefa mampiasa na mijery solosaina, finday, fahitalavitra… isika dia miasa tsy mitsahatra ny atidoha mandritra izany. Ankoatra izay, ny hazavana manga avy amin’ny efijery dia manemotra ny fahitan-tory ary ny habetsahan’ny « informations » raisina isan’andro avy amin’ireny fitaovana ireny dia mitazona ny « système nerveux » ho taitra na mifoha lalandava. Vokatr’izany dia lasa mahatsapa havizanana ara-tsaina, fahasarotana mifantoka, ary indraindray fahasorenana tsy hay hazavaina.

Tsy misakafo ara-dalàna na mihinana sakafo tsy voalanjalanja

Tsy mihinana sakafo maraina, misakafo maika, mihinana sakafo be siramamy… maro ireo fahazarana ara-tsakafo tsy ara-dalàna izay miteraka fiakaran’ny hery tampoka, avy eo ny fidinany tampoka. Ireo fiovaovan’ny tahan’ny siramamy ao amin’ny ra ireo no mahakely aina tampoka eo ampovoan’ny tontolo andro ary mahatonga fahatsapana toy “kivy tampoka” izany. Ny sakafo voalanjalanja sy ara-potoana kosa dia manampy hitazona hery maharitra mandritra ny andro.

Tsy ampy fampihetsiketseham-batana

Maro amintsika no mieritreritra fa ny fanetsiketseham-batana sy ny fanatanjahantena no mamizana ny vatana. Mifanohitra amin’izany nefa ny zava-misy satria raha tsy ampy ny fanetsiketseham-batana dia vao maika mitombo ny havizanana. Noforonina hihetsika ny vatana. Raha mipetraka lava loatra dia mihena ny fivezivezen’ny ra sy ny « oxygène » ao amin’ny vatana, ka mahatonga fahatsapana mavesatra. Tsy voatery manao fanatanjahantena mafy fa ny dia-tongotra vetivety, fanatanjahantena malefaka… dia afaka mampitombo indray ny hery.

Lire la suite

Articles Similaires