Tontolon’ny asa : ireo fandrika 5 manimba ny fifantohana
Lasa sarotra tokoa ankehitriny ny mitazona ny fifantohana amin’ny asa noho ny fisian’ireo karazana fampandrenesana (notifications) etsy sy eroa. Tsy talenta voajanahary ho an’olona vitsy ihany nefa ny fifantohana, fa fahaiza-manao azo kolokoloina sy hamafisina rehefa fantatra ireo fahadisoana mahazatra tokony ialana. ‘Ndeha ary ho fantarina eto ireo fandrika 5 manimba ny fifantohana sy ny fomba atao hanitsiana izany.
Te hanao zavatra maro indray mandeha
Maro amintsika no mirehareha ho mahavita manao asa maro miaraka (mutitâche). Raha ny marina anefa dia tsy natao hanao asa sarotra maro indray mandeha ny atidohantsika. Isaky ny miova asa ianao dia mila “mamerina mandamina” ny sainao, ka mandany fotoana ary indrindra hery ara-tsaina izany.
Vokany :
-Mihena ny vokatra azo,
-Mitombo ny hadisoana,
-Lasa reraka haingana ny saina.
Vahaolana :
Aleo mifantoka amin’ny asa iray isaky ny mandeha. Miasa 25 hatramin’ny 50 minitra amin’asa tokana, avy eo maka fiatoana fohy hakana aina.
Manamaivana ny fiantraikan’ny fanelingelenana nomerika
Indraindray fijerena vetivety ny hafatra miafina na fampandrenesana dia efa ampy hanakorontanana ny fifantohana mandritra ny minitra maro. Ny tambajotra sosialy, mailaka ary hafatra an-telefaonina dia manapaka tsy tapaka ny fifantohana.
Ny vokany :
Mila 23 minitra eo ho eo vao tafaverina tanteraka amin’ny fifantohana ny saina rehefa voatapatapaka.
Vahaolana :
-Vonoy ireo fampandrenesana tsy tena ilaina rehefa manatanteraka asa mila fifantohana lalina,
-Manokàna fotoana manokana hijerena mailaka,
-Aza apetraka eo ambany masonao ny finday.
Arakaraka ny maha-vitsy ny fanelingelenana no mora kokoa ho an’ny atidohanao ny miditra amin’ny fifantohana lalina.
Tsy fahampiana torimaso
Anisan’ny fahavalo lehibe indrindra ny fifantohana ny tsy fahampiana torimaso. Raha reraka ny atidoha dia sarotra kokoa ny mitazona fifantohana, mitadidy ary mandray fanapahan-kevitra.
Ny vokany :
Mahatsiaro ho "manjavozavo saina" (brouillard mental),
Vahaolana :
-Matory 7 ka hatramin’ny 9 ora isan’alina,
-Matory sy mifoha amin’ny ora raikitra,
-Mialà amin’ny efijery alohan’ny hatory.
Tsy fanajana ny fetran’ny saina
Mieritreritra isika matetika fa ny miasa 4 ora misesy tsy miato no mariky ny fahombiazana. Ny mifanohitra amin’izany anefa no mitranga. Rehefa afaka fotoana iray, dia voky loatra ny atidoha ary mihena ny fifantohana.
Vokany :
Manao fahadisoana noho ny fahavizana ary tsy mikisaka ny saina,
Vahaolana :
Ampiharo ny fomba fiasa Pomodoro (25 minitra hiasana, 5 minitra hakan-drivotra). Ireo fiatoana kely ireo no mamelona indray ny herin’ny fifantohanao.




