• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Tsapiky : Hankalazaina makotroka any Toliara ny maha-harembakoka tsy azo Tsapain-tanana azy

29/01/2026 15:44 © Moov.Mg

Kolontsaina mampiavaka ny Faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara ny tsapiky, izay anarana gadona manankarena amin’ny fomba fisehony sy ny fomba fiangaliana azy. Nampahafantarin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny fomba ôfisialy androany, ny nahatafiditra ny Tsapiky ho isan’ireo Harembakoka tsy azo Tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona.

Tsapiky, gadona mitety vanim-potoana

Manana ny toerany amin’ny lafim-piainana rehetra, any amin’iny tapany Atsimon’i Madagasikara iny ny tsapiky, na an-kasoavana, na an-karatsiana. Gadona mihetsika, mampifangaro ny feo netim-paharazana sy ny feo maoderina izy. Saika samy miangaly azy avokoa ireo foko maromaro hita any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana : Masikoro, Vezo, Antandroy… Lalaovina amin’ny zava-maneno isan-karazany ihany koa izy, ka ao ny nentim-paharazana, toy ny marovany sy ny kabôsy, eo koa ireo zava-maneno nampidirin’ny vahiny, toy ny angorodao, ny gitara elektrika sy ny apongamaroanaka.

Maro ireo mpanakanto, na ireo zokiolona na ireo tanora taty aoriana, no mivoy ny gadona tsapiky. Isan’ny fanta-daza amin’izany i Jean Piso, izay efa maherin’ny 60 taona no nilalaovany mozika. Manandratra ity gadona tsapiky ity, amin’ny alalan’ny fitendrena angorodao izy, hatrany am-pitan-dranomasina. Feon-kira fantatry ny maro loatra ilay mitondra ny lohateny hoe : « Andranokototo », izay isan’ny malaza indrindra raha samy feon-kira maneho izany gadona tsapiky izany. Taty aoriandriana, dia isan’ny be mpahalala ihany koa ny tarika Mirasoa, amin’ilay hirany mitondra ny lohateny hoe : « bleu – bleu », raha tsy hitanisa afa-tsy ireo mpanakanto roa avy amin’ny vanim-potoana samy hafa ireo.

Tsapiky Festival, fankalazana makotroka any Toliara

Raha tsiahivina dia ny Ny 10 desambra 2025 no namoahan’ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ho an'ny fanabeazana, ny siansa sy ny kolontsaina (UNESCO), ny taratasy izay manamarina amin’ny fomba ôfisialy ny maha-Harembakoka tsy azo Tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona ny tsapiky. Nampahafantarin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, tamin’ny fomba ôfisialy androany 29 janoary 2025, teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsiana Mahamasina izany. Araka ny tapaka teo anivon’ny Filàn-kevitry ny minisitra, tamin’ny 27 janoary lasa teo, dia hankalazaina amin’ny fomba ôfisialy sy makotrokotroka ity vaovao lehibe ity, ka any Toliara no hanatontosana izany, ny 27 sy 28 febroary 2026.

Tsapiky Festival no anarana nomena ity hetsika hotanterahina any amin’ny renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana ity. Lanonana ara-kolontsaina malagasy no ho hita, mandritra ireo andro roa ireo, izay hampisongadina indrindra ireo mpanakanto mpiangaly ny gadona tsapiky. Raha tsiahivina dia hatokana ho androm-pirenena ho an'ny Tsapiky eto Madagasikara ihany koa ny datin'ny 10 desambra, isan-taona, araka ny fampitana am-bava nankatoavina nandritra ny Filàn-kevitry ny Minisitra tamin’ity herinandro ity.

Lire la suite

Articles Similaires