Fahasalamana : Anjara andraikitry ny gynécologue - obstétricien ny 270 andro amin’ny 1 000 andro voalohan'ny zaza
Manana anjara andraikitra tsy azo tsinontsinoavina amin'ny fanomanana ny hoavin'ny ankizy ireo dokotera mpandray an-tanana manokana ny vehivavy, na ireo gynécologue - obstétricien. Isan'ny mandray anjara amin'ny atrikasa miompana amin'ny arivo andro voalohan'ny zaza, izay tanterahina eny Anosy nanomboka omaly izy ireo.
Fahasalaman’ny reny sy ny zaza
Miara-miaiky ireo mpiantsehatra rehetra eo amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza fa manan-danja sy sarobidy ny 1 000 andro voalohany eo amin’ny fiainana, satria io vanim-potoana io no fototra iorenan’ny fahasalaman’ny zaza, na ara-batana, na ara-tsaina. Araka izany, io 1 000 andro voalohany io, izay manomboka amin'ny fotoana itsaihany ao an-kibon-dreny ka hatreo amin'ny faha-roa taonany eo ho eo, no mamaritra ny hoavin'ny zaza, amin'ny lafiny betsaka.
Tsy mandray an-tanana ny fahasalaman’ny vehivavy ihany no asan'ny gynécologue # obstétricien, fa mandray andraikitra ihany koa amin’ny fampianarana ny vehivavy bevohoka sy ny vehivavy rehetra, ary koa ireo mpiara-miasa aminy, toy ny rasazy sy ny dokotera ary ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, araka ny nambaran'ny Pr Randriambelomanana Anderson, filohan'ny Collège Malgache de Gynécologie Obstétrique (COMAGO). Namafisiny, fa ny fotoana voalohany iainan'ny olombelona dia anjara andraikitr'izy ireo tokoa. Ao anatin'ilay 1 000 andro voalohany mantsy, dia ao an-kibon'ny reny no iainan'ny zaza ny 270 andro. Io ilay sivy volana an-kibo.
Olana iainan’ny reny bevohoka, miantraika amin’ny zaza
Tsy maintsy misy fiantraikany amin'ny zaza ny fizotran'ny vohoka sy ny fiterahana, hoy ny fanazavan'ny Pr Randriambelomanana Anderson, ka raha tsy salama ny reny nandritra ny fitondrana vohoka, dia misy akony amin'ireo 730 andro sisa, na mihoatra noho izany aza, io olana niainan'ny reny teo am-pitondrana vohoka io. Noho izany, tsy afa-miala amin'ny fandraisana an-tanana ny 1 000 andro voalohan'ny zaza ny gynécologue # obstétricien.
Izany ihany koa no antony andraisan'ny COMAGO anjara amin'ny "symposium", izay dinika nasiônaly tanterahina eny Anosy mandritra ny telo andro, ifanakalozan-kevitra, ifampizarana ireo traikefa hita eny ifotony, ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny reny sy ny zaza. Araka ny nambaran'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, dia ireo rehetra voakasiky ny fandraisana an-tanana ny 1 000 andro voalohan'ny zaza no nantsoina hifampidinika, nanomboka omaly 27 hatramin'ny rahampitso 29 janoary 2026. Ny Fondation Mérieux sy ny UNICEF no mikarakara ity hetsika ity, fa isan'ny mpiara-miombona antoka kosa ireo antsoina hoe : "société savante" toy ny COMAGO sy ny Société Malgache de Pédiatrie (SOMAPED).


