• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Antananarivo Renivohitra : Mahomby ny ezaka famerenana ireo mpianatra miala an-daharana

28/01/2026 14:51 © Moov

Isan-taona dia tsy maintsy ahitana mpianatra miala an-daharana eny antenantenan’ny taom-pianarana foana, indrindra eny amin’ny sekolim-panjakana. Nanatanteraka fivoriana, niaraka, teny amin’ny EPP Vohibola, ny fikambanana FEFFI, ato anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) Antananarivo Renivohitra. Nivoitra nandritra izany, fa ahitana fahombiazana ireo ezaka famerenana ny mpianatra any an-dakilasy.

Manodidina ny 60% ireo tafaverina

Manao ny ezaka rehetra hamerenana ireny mpianatra voatery miala an-daharana ireny ny Minisitera sy ny sekoly tsirairay. Mandray anjara amin’izany ny avy amin’ny FEFFI, izay fikambanana mitoetra isaky ny sekoly, ary natao hampivoarana sy haombiazan’ny fanabeazana eny ifotony. Isan’ny asa tanterahin’izy ireo amin’izany ny fampiantsoana ny Ray aman-dRenin’ireo mpianatra rehefa hita fa tsy mianatra mandritra ny fotoana ela ireto farany. Eo ihany koa ny fanatonana azy ireo isan-tokantrano, izay antsoin’izy ireo hoe VAD (Vangivangy arahana Dinika) miaraka amin’ireo Ray aman-dReny ireo. Ny tena atao amin’izany dia ny fanentanana sy ny fandresen-dahatra, mba hamelana ny ankizy hamita ny fianarana.
Raha ny tatitra dia miisa 1080 ny mpianatra niala an-daharana, tato anatin’ny CISCO Antananarivo Renivohitra, nanomboka ny volana mai hatramin’ny desambra 2025. Noho ireo asa maro notanterahina ireo, anefa dia efa maherin’ny 60% amin’izy ireo no efa niverina nianatra, satria miisa manodidina ny 680 izy ireo no efa tafaverina soa aman-tsara.
Raha ny fanazavana avy amin’ireo sekoly samihafa dia saika olana eny anivon’ny fiaraha-monina sy isan-tokantrano no tena mampijanona ny ankizy amin’ny fianarana. Isan’izany, ny mpivady misara-toerana na misaraka mihitsy, ka mahatonga ny ankizy kamo hianatra. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny enti-manana, mifandray amin’izany. Etsy andaniny, ny tsy fahampian-tsakafo ka tsy mahatamana ny ankizy any an-tsekoly. Na dia eo aza anefa izany, dia nilaza ny Minisitera fa tsy hijanona hikaro-bahaolana mikasika izany. Isan’ny laharam-pahamehana amin’izany ny fanaraha-maso ireo ankizy efa niverina an-tsekoly.

Lire la suite

Articles Similaires