• Cours de change
  • 5235.32 AR
  • |
  • $4489.44 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasan’ny lalana : Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny tahirim-bola Saodianina ho an’ny fampandrosoana

26/01/2026 15:45 © Moov

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Tahirim-bola Saodianina ho an’ny fampandrosoana (Fonds Saoudien pour le développement), eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasan’ny lalana. Nitsidika ny Minisitry ny Asa vaventy, androany, ny Delegasiona avy amin’izy ireo.

Famatsiam-bola vaovao hoan’ny RN5

Isan’ny porofon’izany fitohizan’ny fiaraha-miasa izany, ary voaresaka, androany, ny mikasika ny fitohizan’ny asa eny amin’ny RN5. Nilaza ireto Delegasiona avy amin’ny tahirim-bola Saodianina ho an’ny fampandrosoana ireto fa afaka hamatsy ny 15 km voalohany, miainga eo Vahibe, izy ireo. Manamarika indrindra ny fampanaraham-penitra iny lalana any amin’ny ilany Atsinanana iny, izany. Mamaly ny fanirian’ny Minisitry ny asa vaventy, Razafindrianarivo henri Jacob, ny hitohizan' ny fiaraha-miasa, amin'ny fanamboarana ny tapany faharoa Vahibe-Mananara sy ny tapany fahatelo Mananara-Maroantsetra amin'iny RN5 iny, ihany koa.
Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, ity fanitarana ny famatsiam-bola ity dia hanatsara ny fitohizan’ny lalana, hanafaka ireo faritra maro amin’ny fitokana-monina ary hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny entana. Marihina moa fa ny RN5 dia tena singa manan-danja amin’ny fampandrosoana ara-toekarena isam-paritra, satria mampifandray faritra manana fahafahana betsaka amin’ny fambolena, ny jono ary ny varotra.

Efa mandroso ireo tetikasa hafa

Tetikasa roa lehibe no efa manamarina io fiaraha-miasa misy eo amin’ny roa tonta io. Eny amin’ny RN9 dia efa miroso miandalana ny asa ho an'ny Tetezan’i Mangoky, izay efa 42% no vita amin' ny ankapobeny. Hatrany amin'ny 20 tapitrisa dolara no famatsiam-bola noentin'ny Fonds Saoudien, amin’izany.
Etsy ankilany, eny amin’ny RN5, ny fanamboarana ny ampahan-dalana Soanierana Ivongo – Vahibe dia efa vita hatramin’ny 79%. Raha ny voalaza dia tokony ho vita amin’ity taona 2026 ity io asa io, izay nahazo famatsiam-bola 14 tapitrisa dolara.
Nomarihina fa ho an’ny Fanjakana, ireo fotodrafitrasa ireo dia mamaly ny Politika napetraky ny Filohan'ny Fanavaozana sy ny Praiminisitra. Heverina mantsy fa motera lehibe mampiroborobo ny fitomboana ara-toekarena sy ny fampifandraisana ny faritra ny fanavaozana ny lalana.

Lire la suite

Articles Similaires