• Cours de change
  • 5235.32 AR
  • |
  • $4489.44 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Faritra Atsinanana : Asa miisa 5 000 hanokafana hoavy matihanina sy maharitra ho an’ny tanora

26/01/2026 10:22 © Moov

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny tetikasa « ASA 5000 ho an’ny Tanora » notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Ity hetsika ity dia tanterahin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana (MTEFOP), ka mikendry ny hanome asa ho an’ny tanora miisa 5 000 ao amin’ny faritra Atsinanana, mandritra ny roa taona.

Fanamby nasionaly, vahaolana eo an-toerana

Manodidina ny 500 000 isan-taona, ny tanora miditra eo amin’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara. Manamarika io sehatra io ihany koa ny fahalemena sy ny fanjakazakan’ny sehatra tsy ara-dalàna. Manoloana izany tsindry ara-demografika sy ara-toekarena izany, dia nofidiana ny faritra Atsinanana hanandramana ity tetikasa ity. Izany dia noho ny tanjany ara-toekarena sy ny fahafahany mandray sehatra maro samihafa, ka heverina ho toerana mety hanandramana ireo fomba vaovao amin’ny fampidirana ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa.
Ao anatin’ny paikady nasionaly hanavaozana maharitra ny fidiran’ny tanora amin’ny asa no hijoroan’ny tetikasa « ASA 5000 ho an’ny Tanora ». Ny tanjona dia ny hamolavola modely mahomby sy azo entina any amin’ny faritra hafa, indrindra ao anatin’ny fananganana ny ivon-toeran’ny toekarana Atsinanana ao aoriana ao.

Omena tohana ireo tanora

Manana famatsiam-bola tombanana ho 12,5 tapitrisa dolara ity programa ity, ka manodidina ny 2 500 dolara isaky ny tanora no atokana ho enti-manohana azy. Izany tetibola izany dia handrakotra ny fiofanana, ny fanarahamaso ary ny fanohanana ilaina mba hahazoany asa maharitra.
Tanora 18 hatramin’ny 25 taona no kendren’ny tetikasa, tsy anavahana diplaoma sy fari-pahaizana, na monina an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Tanjona ny hahatratra ireo tanora matetika tsy tafiditra ao anatin’ny rafitra mahazatra amin’ny fampananana asa.

Fomba fiasa maro samihafa

Tsy mifantoka amin’ny asa any anaty orinasa fotsiny ny programa. Rehefa tapitra ny roa taona, dia tanora telo amin’ny efatra no ho afaka mamorona asa mamokatra fidiram-bola, toy ny fambolena, ny asa tanana na ireo tetikasam-pampandrosoana. Ny ampahefany kosa dia hiditra amin’ny asa any anatin’ny orinasa efa manana ny toerany.
Ny sehatra kendrena dia mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana ara-toekarena ao amin’ny faritra, toy ny fambolena, fiompiana, harena an-kibon’ny tany, fizahantany maharitra, fampitaovana, fitaterana, angovo azo havaozina ary BTP.
Mandeha tsikelikely ny fanatanterahana ny programa. Ny tanora tsirairay dia hisitraka tohana mifanaraka amin’ny faniriany avy. Manomboka amin’ny famantarana ny mombamomba azy, arahina fiofanana arahim-pampiharana ary fanohanana mitohy amin’ny alalan’ny fanofanana sy fanoroana lalana. Tanterahin’ny MTEFOP miaraka amin’ny fanohanan’ny MEFRA, ny tetikasa izay efa miditra amin’ny dingana fanatanterahana, miaraka amin’ny “focus group” izay hotanterahina amin’ity herinandro ity.

Lire la suite

Articles Similaires