Volo salama sy malefaka : tandremo ireo fahazarana manimba azy
Maro amintsika no manana fahazarana mibango volo ilay izy mbola mando avy nosasana iny. Fihetsika mahazatra eritreretina ho tsy misy vokadratsy izy io nefa dia isan’ireo fahazarana manimba ny volo ka mahatonga azy tsy ho « souple » sy mangirana intsony.
Marefo kokoa ny volo mando
Rehefa maina ny volo dia voaaron’ireo « écailles » eo aminy. Raha vao mando kosa izy ireny dia lasa idiran’ny rano anatin’ny « fibre » ny singam-bolo, lasa misokatra ireo « écailles » ary lasa marefo kokoa. Raha amin’io fotoana io no bangoina ny volo dia lasa mitarika faharovitana kely eo amin’ny singam-bolo izany ka mahatonga ny volo ho vakivaky sy tapatapaka.
Ireo fihetsika manampy hisorohana io fahasimban’ny volo io
Mba hitandrovana ny fahasalamana sy fahalefahan’ny volo dia misy ireo fihetsika sy fikarakarana ny volo tsara ampiharina :
-Bangoina ny volo alohan’ny hanasana azy. Izany hoe izy maina iny ny volo no bangoina mba hanesorana moramora ireo miraikitra nefa sady tsy mampijaly ny « fibre » ny volo ;
-Rehefa avy manasa loha dia alàna raotra moramora amin’ny fihogo lehibe, tsy mifanety kely ny nifiny, rehefa akaiky ho maina ny volo. Afaka ny rantsan-tanana ihany koa no ampiasaina hanalàna raotra ny volo raha tsy manana io karazana fihogo io.
-Hamainina moramora ny volo. Petapetahana amin’ny servieta fa tsy kosehana. Tsara kokoa raha mijanona ho matimaty ny hafanan’ny servieta mandra pahamainan’ny volo.
Mampiasa « produits » manome sakafo sy miaro ny « fibre » ny volo
Ny fampiasana menaka zavamaniry (diloilo, argan), « sérum » na « masque » isan-kerinandro dia manampy amin’ny fanakatonana ny « écailles » ny volo. Mampangirana sy manome « souplesse » ny volo ihany koa ny fanaovana izany. Rehefa ririnina na vaninandro mangatsiaka dia tena ilaina mafy ireo vokatra fikarakarana volo ireo satria ny hatsiaka dia mahamakiana ny volo sy mahatonga azy ho mora vakivaky.


