• Cours de change
  • 5212.01 AR
  • |
  • $4509.63 AR
Copyright Image : © Cirgn Antananarivo
Image
Vaovao

Loza voajanahary : Niteraka fahasimbana trano tao Soavinandriana ilay horohorontany

24/01/2026 15:37 © Moov

Nihetsika ny tany. Nisehoana horohorontany somary mahery vaika teto Madagasikara, androany 24 janoary 2026, tamin’ny 11h32, maraina. Tao Soavinandriana, 35 km atsimon’i Miarinarivo ny foibeny, hoy ny avy ao amin’ny Institut et Observatoire de Géophysique d’Antananarivo (IOGA) ary nahatratra 5,6 amin’ny maridrefin’i Richter ny tanjany.

Nanimba trano

Raha ny fanazavana ao amin’ny tranonkalan’ny « Volcanol » dia isan’ny horohorontany efa miteraka fahavoazana eo amin’ny fotodrafitrasa trano ity, niseho androany ity, satria tafiditra eo anelanelan’ny 5,0 hatramin’ny 5,9. Raha ity niseho ity dia nampitondra takaitra olona vitsivitsy tao Soavinandriana, izay toerana akaikin’ny foibeny. Azo lazaina naharitra elaela ihany koa moa ny fisehony. Nahazo tatitra momba izany ny CIRGN Antananarivo. Trano miisa roa no nahitana fahasimbana, izay samy ao Avaratsena, Soavinandriana. Ny iray trano efa miorina ary misy mipetraka : nirodana ny tataon-drihana manarona ny tafo (chaînage en béton). Ny iray kosa trano andalam-panamboarana : nirodana ihany koa ny rafitra biriky sy ny "coffrage" mitondra ny "linteau". Trano iray hafa ihany koa no rodana tanteraka ny ilany tao Faratsiho, ary trano hafa ihany koa triatra ka vaky ny rindrina.

Zazalahy kely nianjeran’ny trano

Tsy mampilaza tokoa ny loza. Vokatr’ireo fahasimbana ireo dia zazalahy kely iray no nianjeran’izany. Araka ny tatitra dia tapaka ny tanany ary voadona ihany koa ny lohany, ka efa noraisin-tanana eny anivon’ny Hôpitaly.
Tsara hatrany ny mampatsiahy ny fihetsika tokony hatao rehefa maheno horohorontany. Tsara kokoa ny miala alavitra ny vodirindrina ka mamonjy toerana malalaka. Azo atao ihany koa ny misitrika ambany latabatra na fandriana, mba hiarovana ny tena amin’ny fianjerana samihafa. Raha tsiahivina dia vao ny 22 janoary teo nisy fihetsehan’ny tany, toy izao ihany koa teto amin’ny manodidina an’Antananarivo, saingy nalefaka izany.

Lire la suite

Articles Similaires