Fivezivezena eto Antananarivo : Mitohy ny asa fikojakojana ny lalàna
Anisan'ny nisitraka asa mivaingana avy amin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina. Maromaro ireo ampahan-dalana nasiam-panamboarana.
Miteraka fitohanana sy fatiantoka ho an'ny mpampiasa lalana ny haratsian'ny lalàna. Toy ny zavatra rehetra mety simba nefa ny lalana ka mila fikojakojana matetika. Araka izany, maromaro ireo faritra nisitraka fanamboaran-dalana.
Vokatra hita maso
Vita soa aman-tsara tamin'ity herinandro ity ny fanapenana ireo lavadavaka teny Ankadimbahoaka sy teny Andrefan'Ambohijanahary. Teboka maromaro ihany koa no niasana teny amin'ny ByPass, mizotra eny Iavoloha : manoloana ny station Total, manoloana ny lalana Ambohijanaka, eny amin'ny lalamby Bypass ary eny amin'ny RP Filatex. Tsisahivina fa efa tontosa tamin'ny herinandro lasa teo ny lalana Ambohimiandra. Mitohy ihany koa ny asa eny Behoririka, Antanimena sy Ankadifotsy, izay tontosain'ny Orinasa SMATP.
Ny hanatsarana ny fivezivezen’ny fiara sy ny olona, hampihena ny fitohanana sy ny fahasimban’ny fiara, moa no tanjona.
Fanentanana
Adidin'ny tsirairay ny mikojakoja ny lalam-bahoaka. Ho an'ireo mpitatitra, tokony hajaina hatrany ny fetran-danja napetrak'ireo tompon'andraikitra. Tsy tokony hanasana na anamboarana fiara/ moto ny arabe. Ho an'ny daholobe kosa, amporisihina ny fanariana fako amin'ny toerana voatokana. Ny rano maloto kosa (tsy misy ventiny) dia atao anaty "dalle". Mazava ho azy, tsy asiana ventin-kanina na karazam-pako ny rano alefa amin'ny lakan-drano.


