• Cours de change
  • 5238.25 AR
  • |
  • $4538.87 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

RN7 : Efa rakofana "tara" ny làlana Antananarivo - Antsirabe

16/01/2026 10:31 © Moov

Mihatsara ny fivezivezena amin'iny lalam-pirenena faha-7 iny. Mandrakotra tara ny arabe ireo tompon'andraikitra, eo anelanelan'Antananarivo sy Antsirabe.

Marobe ireo nitaraina noho ny haratsin'ny lalam-pirenena faha-7, na mpitatitra na olon-tsotra. Ankehitriny, efa manomboka mivaha ny olana satria miroso an-tsakany sy an-davany ny asa fanamboarana.

Antananarivo # Antsirabe

Ny lalana mampitohy an'Antananarivo sy Antsirabe no efa eo an-dalam-pahavitana. Ny ampahan-dalana maro miainga eo Ambatolampy hatrany Antsirabe moa no tena nampitaraina ireo mpampiasa lalana satria feno lavaka ny lalana, sady iandronan'ny rano rehefa avy ny orana. Teo ihany koa ny asa tsy nety vita ka sady namovoka no nanimba kodiaran'ny fiara.
Araka ny tatitry ny Ministeran'ny Asa Vaventy anio 16 janoary 2026, efa eo am-pandrakofana tara ny arabe ireo tompon'andraikitra. Manoloana ny fotoam-pahavaratra nefa, nisy ny fanovana paik'ady sy fomba fiasa mba hanafainganana ny asa. Miasa andro aman'alina ireo Orinasa miantsoroka ny asa, mba hahazoana vokatra tsara.
Hentitra ny Fitondram-panjakana, amin'ny alalan'ny Minisiteran' ny Asa Vaventy, amin'ny fanaraha-maso ireo Orinasa amin'ny fanatanterahana ireo toromarika efa nomena.

Fanentanana ireo mpampiasa lalana

Manao antso avo koa ho an'ny mpampiasa lalana rehetra, ny Tale Jeneralin'ny Ministeran' Asa Vaventy, Rafefimanana Richard, mba hanana faharetana sy hanaraka ny lamina eny an-dalana. Entanina ihany koa ny rehetra samy hitandrina amin'ny hafainganan-pandeha amin'izao fotoanan'ny orana izao.
Ny Banky Iraisam-pirenena, amin'ny alalan'ny tetikasa PDDR sy Tahirim-bola ho an'ny Lalana, no mamatsy vola ny asa fanarenana ity Lalampirenena faha-7 AntananarivoAntsirabe ity.

Lire la suite

Articles Similaires