Fifanarahana tany Abu Dahbi : Hotokanana amin’ny volana febroary ny ozinina fanamboarana zezika any Toliara
Tafaverina an-tanindrazana androany 15 janoary 2025 maraina ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Randrianirina Michaël, rehefa avy nandray anjara tamin’ny ADSW 2026 izay notanterahina tany Abu Dhabi. Nambarany teny am-pahatongavana, fa maro ireo fifanaram-piaraha-miasa vita sonia, nandritra ity dia nataony ity.
Famokarana zezika eto Madagasikara
Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, androany maraina, ny fiaramanidina nitondra ireo delegasiônina malagasy, notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, izay nandray anjara tamin’ny Herinandron’ny Fampandrosoana Lovainjafy (ADSW 2026), notanterahina tany Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra. Isan’ny nasongadina tamin’ity dian’ny filoham-panjakana, ny kôlônely Randrianirina Michaël ity, ny fisokafan’i Madagasikara amin’ireo mpampiasa vola. Nararaotin’ny Fitondram-panjakana malagas araka izany ity dia ity, nampahafantarana ireo tetikasa azo tanterahina sy azo itokisana ara-bola, ho an'ny mpampiasa vola.
Taorian’ireo fihaonana isan-tsokajiny notanterahin’ny delegasiônina malagasy, dia maro ireo fifanaraham-piaraha-miasa vita sonia tany Abu Dahbi, raha ny tatitra fohy nataon’ny filohan’ny Fanavaozana, teny am-pahatongavany teny Ivato. Isan’ny notsipihiny ny fananganana ozinina famokarana zezika, izay efa mandeha ankehitriny, any Toliara. Hotokanana amin’ny volana febroary izy io, miaraka amin’ieo delegasiônina mpiara-miombona antoka avy any amin’ny firenena Emirà Arabo Mitambatra. Raha mandeha tsara izany ozinina izany dia hitarina mankany Amboasary sy any Toamasina, araka ny nambaran’ny kôlônely Randrianirina Michaël. Tanjona ny hamohazana indray ny famokarana zezika eto Madagasikara.
Fifanaraham-piaraha-miasa vita tany Abu Dahbi
Nasian’ny filohan’ny Fanavaozana resaka kely ihany koa ny momba ny fiaraha-miasan’ny Tafika malagasy amin’ny orinasa sinoa iray, izay mety ho tonga any amin’ny fananganana orinasa famokarana fitaovam-piadiana eto Madagasikara. Ankoatra izay dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena sinoa, amin’ny fanavaozana ny haino aman-jerim-panjakana. Amin’io herinandro ho avy io, raha ny fanazavan’ny kôlônely Randrianirina Michaël, dia handeha ho any Sina, hijery akaiky ny fomba hanatanterahana izany ny tale jeneralin’ny Office de la radio et de la télévision malgache (ORTM).
Marobe ka tsy ho voatania daholo, fa ho fantatry ny vahoaka malagasy miandalana eny ihany, ireo fifanaraham-piaraha-miasa vita tany Abu Dahbi, hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël. Isan’ny notanisainy ny fanarenana ireo lalamby rehetra eto Madagasikara, ny famelomana indray ny orinasa Air Madagascar, ny fanarenana tsikelikely ny Société d'Études, de Construction et de Réparation Navales (SECREN) ao Antsiranana, ny momba ny trosa amin’ny fampihenana ny entona karbônina (crédit carbone), ny fanamboarana ny seranan-tsambon’i Nosy Be, Ny firosoana bebe kokoa amin’ny fanovàna ara haitao ara-kajy mirindra (digitalisation) eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, mba hahafahana manara-maso bebe kokoa ireo olona miditra sy mivoaka ny firenena malagasy. Nambaran’ny filohan’ny fanavaozan fa hisy orinasa avy any Abu Dahbi ihany koa ho avy eto amintsika ato ho ato, hanohy ny fanganana ny ivon-toerana famokarana angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro any Moramanga ary hijery ny mety hanitarana izany any amin’ny toeran-kafa.
Masoivohon’i Madagasikara ao Abu Dhabi
Zava-dehibe, sady isan’ny anton-dian’ny delegasiônina malagasy tany amin’ny firenena Emirà Arabo Mitambatra, ny fanokafana ny masoivohon’i Madagasikara ao Abu Dhabi. Tsy ho ela dia ho tanteraka izany, hoy ny filohan’ny Fanavaozana. Tsy hiandry ela ihany koa, fa amin’ny herinandro ho avy io dia efa misy ho avy eto Madagasikara ireo mpampiasa vola sy mpiara-miombona antoka, izay nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’i Madagasikara.
Ankoatra izay dia namaly ny ampahany tamin’ireo resa-be niseho tato ho ato ny kôlônely Randrianirina Michaël. Momba ny filazana fa handray ireo mpitsoa-ponenana avy any Etazonia i Madagasikara, dia nanamafy ny filohan’ny Fanavaozana fa isan’ny noresahan’ireo iraka amerikanina tonga teto Madagasikara izany, saingy mbola tsy nanome valin-teny mikasika izany i Madagasikara. Mikasika ny fisavana azy teny amin’ny fadin-tseranana, mialohan’ny hiondranany ho any Abu Dhabi kosa, dia nambarany fa izy mihitsy no nangataka ny hisavana ny entany, mba ho fijoroana amin’ny mangarahara.


