Didim-poitra zaza menavava : tsy misy atahorana ve ?
Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony misy atahorana ny fanaovana didim-poitra zazamenavava na zaza vao teraka raha toa ka azo antoka tsara ny mpitsabo sy ny toerana hanatanterahana izany. Toy ny fandidiana rehetra nefa dia misy ny tombontsoa sy ireo mety ho « risques » amin’ny fanaovana izany ka mila mandinika tsara.
Inona no maha azo antoka ny fanaovana didim-poitra ny zaza menavava ?
Ny « période néonatale » na hoe ireo herinandro voalohany nahaterahan’ny zaza no isan’ny fotoana tsara hanaovana didim-poitra ny zanaka satria :
-Malaky kokoa ny fahamainan’ny fery (cicatrisation rapide). Mihavao malaky kokoa ny « tissus » an’ny zazamenavava ;
-Ambany kokoa ny « risques » hisian’ny fahasarotana. Maro ireo vokam-pikarohana manambara fa ambany kokoa ny fahasarotana vokatry ny famorana eo amin’ny zazamenavava raha mihoatra ny ankizy lehibebe na ny olon-dehibe ;
-« Anesthésie locale » toy ny « crème » na « bloc nerveux » dia mety ho ampy fa tsy mila atao « anesthésie générale ».
Ireo mety ho tombontsoa ara-pahasalamana
Arak’ireo vondrona ara-pahasalamana maro, toy ny « American Academy of Pediatrics », dia maro ireo tombontsoan’ny fanaovana didim-poitra ny zaza menavava. Anisan’izany ny :
-Fampihenana ny « risques » hampisy « infections urinaires », indrindra ireo mpahazo ny zazalahy kely latsaky ny 1 taona ;
-Fisorohana ny aretina toy ny « phimosis » sy ny fampihenana ny « risques » hahavoan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ;
-Fisorohana ny homamiadan’ny filahiana (na dia tsy fahita firy aza ity aretina iray ity).
Ireo mety ho « risques » sy fahasarotana
Amin’ny ankapobeny dia tena mahalana ny « risques » sy fahasarotana mitranga eo amin’ny zaza menavava natao didim-poitra. Anisan’ireo mety mitranga ny hoe :
-Mandeha rà sy misy « infections ». Isan’ireo fahasarotana fahita izy ireo fa matetika dia azo tsaboina tsara izany ;
-Ratsy endrika. Indraindray mety ho lasa ngeza na kely loatra ny hoditra nesorina ka manaratsy endrika ny filahian’ilay zaza ;
-Manaintaina. Na dia natao « anesthésie » aza ilay zazakely dia mety hahatsapa marary na tsy manorisory izy mandritra ilay fandidiana sy ny « cicatrisation » an’ilay fery.
Ireo fitandremana mikasika ny fanaovana didim-poitra ny zaza menavava
Mba hisorohana ny fahasarotana vokatry ny fanaovana didim-poitra ny zaza menavava dia misy ireo fitandremana sy fepetra tsara fantatra. Noho izany, tsy tokony atao famorana ny zaza vao teraka raha toa izy ka :
-Teraka tsy tonga volana na mbola tsy milamina tsara ny toe-pahasalamany ;
-Misy tsy fahatomombanana ny firafitry ny filahiany ;
-Misy efa tratry ny « troubles de la coagulation » na hoe « hémophilie » ao amin’ny fianakaviana akaiky azy.
Ankoatra izay dia tsy maintsy « chirurgien pédiatre » na « urologue » no manatanteraka ny didim-poitra eo amin’ny zaza menavava ary ao amin’ny toeram-pitsaboana (clinique ou hôpital) irery ihany no hanaovana izany.


