Tongotra mivonto rehefa bevohoka : Tokony hatahorana ve ?
Tsy vitsy ireo vehivavy bevohoka no misedra fivontosana any amin'ny tongotra. Amin'ny ankapobeny, tsy tokony hisy hampanahy izany.
Torohevitra tsy hampivonto be ny tongotra
Maromaro ireo teboka azo ampiharina mba hisorohana ny fivontosan'ny tongotra rehefa mitondra vohoka, indrindra rehefa miha-lehibe ny kibo :
-Tsy mijanona ela loatra rehefa mijoro na mipetraka
-Miezaka mihetsiketsika kely, mandehandeha moramora na fotoana vitsy fotsiny aza
-Somary ampiakarina ny tongotra rehefa maka aina na matory. Asiana ondana na coussin ao ambany tongotra
-Matory mitodika amin’ny ilany havia
Manampy ny fivezivezen’ny rà sy mampihena ny fivontosana mantsy izany
-Misotro rano betsaka, izany hoe 1,5 litatra isan'andro farafahakeliny
-Tsy manao kiraro tery
Safidiana ny kiraro malalaka sy mampahazo aina. Azo atao ny manao kiraro misy voditongotra (2 na 3 santimetatra ny haavony), mba tsy hipetaka loatra amin'ny tany ny tongotra
-Tsy atao be sira loatra ny sakafo. Ny sira be loatra dia mampitombo ny fivontosana.
Fanairana hanantona dokotera
Raha tampoka be ny fivontosana, miaraka amin’ny aretin-doha na fanaintainana samihafa, tsara raha manatona mpitsabo avy hatrany.
Ilàna fizahan'ny mpitsabo ihany koa ny fivontosana tsy mety mihena, indrindra raha mihenjana be ny hoditra sady tsy antonina kiraro intsony.


