Vakisinin-jaza : Ireo fiomanana sy fikarakarana tokony atao amin'ny zazakely
Ny vaksiny no miaro ny zaza amin’ny aretina mampidi-doza isan-karazany. Noho izany, tokony hajaina tsara avokoa ireo fandaharam-potoana atolotry ny mpitsabo.
Tsy vitsy ireo ray aman-dreny lasa matahotra hanao vakisinin-jaza, noho ireo sampona samihafa niseho tetsy sy teroa.
Ny fiomanana mialoha ny vakisiny
Azo atao tsara ny manomana ny zazakely, mba hisorohana ny fanaviana be. Amporisihana ny ray aman-dreny mba tsy hanome ranom-boankazo voahodina na zava-pisotro mamy loatra ho an'ny zaza. Ampandroina tsara ny zaza ny maraina, ary akanjo maivamaivana sy mora esorina no ampanaovina. Tsy atao voky be, izany hoe 30 minitra mialoha ny vakisiny no omena nono farany.
Tsara ny manamarika fa tsy maintsy ahemotra ny fotoana tokony hanaovana vakisiny raha toa ka marary ny zaza : mikohaka, misy hafanana, voan'ny tazo, sns. Raha vao avy narary ny zaza, tsara raha hampahafantarina ny mpitsabo izany.
Ny fandraisana an-tanana ny zaza aorian'ny vakisiny
Mety hisy tazo kely, izany hoe misy hafanana kely, ny zaza rehefa avy atao vakisiny. Ilaina araka izany ny fanomezana fanafody fampidinana hafanana, araka izay toromariky ny mpitsabo.
Marihana fa tsy tokony asiana menaka na karazana "baume" ny faritra notsindromina. Ezahina tambatambazana ny zaza mba hisakafo sy hatory tsara.


