Kivalo Soa Honko : toeram-pizahantany maharitra, kanto, mampivoatra ny fiainan’ireo mponina
Fizahantany manaja ny tontolo iainana sy mampivoatra ara-toekarena ny mponina eny ifotony. Izay raha fintinina i Kivalo Soa Honko, ao amin’ny Distrikan’i Morondava. Tanànan’ny mpanjono eo amoron-dranomasina, hodidinina honko, izay fonenan’ny hazandrano sy ny vorona isan-karazany i Kivalo, ary izany indrindra no ezahin’ireo mponina kajiana mba ho lovainjafy.
Kivalo, toerana tena kanto any Morondava
"Kivalo Soa Honko" no anarana nomena ity toeram-pizahantany maharitra (site écotouristique) ity. Any amin’ny Faritra Menabe, ao anatin’ny Distrikan’i Morondava, Kaominina Marofandilia, Fokontany Kivalo, no misy azy. Raha tia fahanginana sy fitoniana, raha te hiverina an-doharano any anaty zava-boaary, dia toerana isan’ny maha-te hitsidika i Kivalo Soa Honko. Araka izany, kanto dia kanto ity tanàna ity.
Mpanjono avokoa ny 100%-n’ny mponina, saingy rehefa tsy misy ny hazandrano dia manapaka hazo honko izy ireo hanaovana saribao. Tafiditra ao anatin’ny faritra anatanterahan’ny WWF Madagasikara ny tetikasa « Mangrove community and Climate », izay anaovana asa fiarovana ireo ala honko anefa, ny toerana misy an’i Kivalo. Manomboka any atsimon’i Madagasikara, mipaka hatrany Maintirano any, io tetikasa io. Noho izany indrindra dia notadiavina izay fomba hahafahan’ireo mponina mampidi-bola hafa ankoatra ny jono, ary indrindra hisorohana ny fanimbana ny honko. Teo no nitsiry ny hevitra hanaovana an’i Kivalo ho toeram-pizahantany maharitra, ka teraka teo i "Kivalo Soa Honko". Ireo mponina ao an-toerana no mitantana ity toerana ity, fa manohana azy ireo amin’izany ny WWF Madagascar sy ny Miarakap, araka ny fanazavan’i Betrefina Baorondro, tomponandraikitry ny fampandehanana ny asa (responsable des opérations) eo anivon’ny Miarakap.
Copyright Image : © Moov
Hodidinina ala honko sarobidy
Ireo honko manodidina azy no isan’ny mahaliana indrindra, rehefa mitsidika an’i Kivalo Soa Honko. Raha eo amin’ny Fokontanin’i Mangily no miondrana an-dakana, hihazo ny tanànan’i Kivalo, dia mamakivaky ala honko mandritra ny 45 minitra eo ho eo. « Nirefy 5002 ha ny velaran’izany ala honko izany teo aloha, fa noho ny fiovan’ny toetr’andro dia nanjary nokaohin’ny riaka ny sisin-tany, ka 4988 ha izy amin’izao », hoy ny fanazavan’i Bertrand Zafisoa, sekreteran’ny vondron’olona ifotony (VOI) « Agnala maitso tsy hognan’olo », izay miandraikitra ny fiarovana ity ala honkon’i Kivalo ity. Misy karazany valo ireo hazo honko maniry ao, toy ny afiafy, tagnandahy, tagnambavy, morimony… Misy amin’izy ireo no azo anaovana fanafody. Marobe ihany koa ireo karazam-biby mivelona ao anatiny, toy ny hazandrano sy ny vorona. Araka izany, tena sarobidy ho an’ireo mponina ny ala honko.
Asa fiarovana voalohany tanterahin’ireo VOI ny fambolena hazo honko. Manodidina ny 79 hektara ny velarana ala honko voavolin’izy ireo nandritra ny taona 2024 sy 2025. Eo ihany ka ny fanaraha-maso akaiky izay mety ho fihoaram-pefy, amin’ny alalan’ireo polisin’ala, izay miisa 14. Etsy an-daniny, tsy azo adinoina fa « mifandray be ny ranomasina sy ny ala honko. Mivelona anaty honko ny hazandrano. Ny trondro, rehefa manatody, dia any amin’ny ranomasina, fa rehefa foy dia entiny anaty honko ny zanany, mandrapahalehibeny hiverina an-dranomasina indray », hoy ny fanazavan’i Bertrand Zafisoa.
Copyright Image : © Moov
Mponina efa matianina amin’ny fandraisana vahiny
Mba hampiroboroboana ity fizahantany lovainjafy ao Kivalo Soa Honko ity, dia manohana ireo mponina ao an-toerana ny WWF Madagascar sy ny Miarakap. Izany dia mba hananan’izy ireo fahaiza-manao amin’ny lafiny maro, ary hahatonga azy ireo hahaleo tena tsikelikely amin’ny fampandehanana izany fizahantany maharitra izany. Manome vahana ny fampiroboroboana ny kolontsaina ao amin’ny Faritra Menabe ihany koa izany. Azo lazaina ho efa miroborobo ankehitriny ny fizahantany maharitra ao Kivalo hatramin’ny taona 2019 nanombohan’ny tetikasa, ary asa efa mihoatra ny zato no niforona : mpitaridia, mpahandro sakafo, mpitondra lakana, vehivavy mpampiantrano...
Araka izany, azon’ireo mpitsidika atao ny matory any an-toerana, any an-tranon’ireo mponina efa matianina amin’ny fandraisana vahiny, na koa any anaty trano lay izay efa vonona ao an-toerana, ho an’izay mila izany. Misy ny trano fisakafoana, izay tantanan’ireo mponina ihany, taorian’ny fampiofanana nomena azy ireo. « Ny hazan-dranomasina no tena hahafantarana anay, fa misy ihany ireo tsy mihinana izany, satria tsy mahazaka, na « végétarien », dia mikarakara sakafo hafa izahay », hoy ny fanazavan-dRatovonjanahary Nivolalao Andriamparany, tomponandraikitry ny fizahantany maharitra ao Kivalo Soa Honko no sady mpahandro ho an’ny trano fisakafoana ao an-toerana.
Copyright Image : © Moov
Tolotra ara-pizahantany isan-karazany
Manome tolotra isan-karazany ho an’ireo mpizahatany ireo mponina ao Kivalo. Ankoatra ny fitsidihana ny honko, dia afaka mampita traikefa amin’ny fambolena honko amin’ireo mpitsidika ihany koa ireo mpikamban’ny VOI Agnala maitso tsy hognan’olo. Tafiditra ao anatin’ny fomba entina mikolo sy mikajy ny ala honko tanterahin’izy ireo rahateo izany. Azon’ireo mpitsidika atao, ankoatra izay, ny mihaza drakaka any anaty honko ary efa nanomboka nampidirina tsikelikely ny fanjonoana anaty ranomasina, izay isan’ny tadiavin’ireo mpizahatany, na ny vahiny na ny avy eto an-toerana. Ireo matory eo an-tanàna dia afaka manararaotra mijery vorona, amin’ilay vao maraim-be iny. Ary mazava ho azy, mahaliana ny mitsidika ny tanàna kelin’i Kivalo sy miaina ny fiainan’ireo mponina ao an-toerana, raha mba te hiala amin’ny rotorotom-piainana mahazatra ny mponina an-drenivohitra. Tsy azo adinoina ny torapasika ao Kivalo, izay midadasika, tsy mbola feno hipoka, miaraka amin’ny ranomasina manga sy tony. Raha toa moa ny mpitsidika ka liana ny hianoka ny kolontsaina Sakalava, dia efa misy ihany koa ireo mponina vonona ny hitsena amin’ny « vango daba sakalava, kabôsy sy dihy sakalava », araka ny fanazavan-dRatovonjanahary Nivolalao.
Copyright Image : © Moov
Mampiroborobo ny toekaren’ny mponina ifotony
Adoavam-bola ireo zavatra azo atao ao Kivalo ireo, ankoatra ny fankanesana eny amoron-dranomasina. Sady manampy amin’ny fikojakojana ny ala honko ny vola miditra, no manampy betsaka amin’ny fampiroboroboana ny fidiram-bolan’ireo mponina ihany koa. Azo tsapain-tanana ny fiantraikan’ity fizahantany maharitra ao Kivalo ity, raha ny fitantaran-dRatovonjanahary Nivolalao. Taloha, vao afaka CEPE ny ankizy dia mijanona tsy mianatra intsony ny ankamaroany, satria tsy misy sekoly ambaratonga faharoa fototra (CEG) eo akaiky. Zara raha misy 1 na 2 no mandeha miala ny tanàna, mianatra any Morondava. « Tamin’ny taom-pianarana farany anefa, niisa 10 izy ireo no nanala CEPE tao an-tanàna, afaka ny 9. Samy nanohy fianarana any Morondava daholo izy rehetra, satria efa lasa nanana fahefa-mividy ireo ray aman-dreny. Ny 80% amin’izy ireo dia niditra nianatra amin’ny CEG tsy miankina avokoa », hoy ny fitantaran-dRatovonjanahary Nivolalao. Araka izany, lasa manana fahaleovan-tena ara-bola bebe kokoa ireo mponina. Nanamafy i Baorondro Betrefina, fa ny fisian’ireo mpizahatany dia namporisika kokoa ireo ray aman-dreny mba hampiana-janaka, na dia hiverina eo an-tanàna ihany aza ireo ankizy any aoriana. « Misy vazaha mivezivezy eo an-tanàna, ka misy filàna mpitaridia mahay miteny vahiny, ny « « écoguide » ankehitriny mantsy tsy mahay miteny afa-tsy teny malagasy », hoy ny fanazavany.
Marihina fa ny vola rehetra miditra ao amin’i Kivalo Soa Honko dia ho an’ny mponina avokoa ary mihodina eo amin’izy ireo ihany. Misy ampahany amin’izany no omena ny VOI, izay miandraikitra ny fiarovana ny honko, ho teti-bola entin’ireo polisin’ala manao fisafoana, ohatra. Samy mandray anjara amin’izany fanomezana ampaham-bola entin’ny VOI miasa izany avokoa na ny mpitondra lakana mitatitra ny mpizahatany, na ireo miasa ho an’ny trano fisakafoana, na ireo vehivavy mpampiantrano, na ny mpitaridia… araka ny fifanarahana efa napetraka.
Copyright Image : © Moov
Toeram-pizahantany fanta-daza maneran-tany
Efa manakaiky izao ny fotoam-pialan-tsasatra faran’ny taona, ka isan’ny toerana tsara tsidihina i Kivalo Soa Honko. Misy lalana telo azo aleha, raha ho any an-toerana, miala eo an-tanànan’i Morondava. Ny voalohany dia miainga ao Avaradrova Morondava, mandeha lakana misy voaly (pirogue à voile) ary mamakivaky ny ranomasina, ka miantsona eo amin’ny torapasik’i Kivalo. Ny lalana faharoa indray dia mamonjy an’i Kimony. Eo no mandeha lakana manaraka ny honko mandrapahatonga any Kivalo. Ny fahatelo, dia mandray ny lalam-pirenena faha-34, toy ny hihazo an’Antananarivo, ary mivily mandray ny lalam-pirenena faha-8, toy ny handeha ho any Belo amoron’i Tsiribihina, mandalo ny Allée des Baobabs, mivily mihazo ny Baobab Amoureux. Eo amin’ny tanàna kelin’i Mangily no tsenain’ny lakana, mamakivaky ny honko. Araka izany, afaka mandalo ireo toeram-pizahantany fanta-daza maneran-tany ihany koa raha ho any Kivalo. Ho an’ny taona 2024 dia nahatratra 436 ny isan’ireo nisafidy hitsidika an’i Kivalo Soa Honko. Hatramin’ny faran’ny volana septambra 2025 kosa dia afa maherin’ny 230, no nianoka ny hakanton’ity toeram-pizahantany maharitra ao amin’ny Faritr’i Menabe ity.


