• Cours de change
  • 5126.67 AR
  • |
  • $4472.59 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Betania : Tanànan’ny mpanjono ao Morondava, mirakitra tantara maro

06/12/2025 19:57 © Moov.Mg

Tsy azo ihodivirana, rehefa mitsidika an’i Morondava, ny tanànan’ireo mpanjono ao Betania. Mirakitra tantara mahaliana ity toerana ity, izay tsy lavitra akory, fa mbola ao anatin’ny faritr’i Morondava Renivohitra ihany. Misy mpitaridia, afaka mitondra ireo mpizahatany mitsidika ny tanàna, sy manazava ireo mety mahaliana rehetra ao Betania.

Mitsidika ala honko

Misy fokontany 18 isa ao anatin’ny Kaominina Morondava, ka tafiditra ao anatin’izany i Betania, fonenan’ireo mpanjono, izay vezo no ankamaroany. Miampita lakana miala eo Nosy Kely raha handeha ho eny. Tsy voatery hihazo ny tanàna avy hatrany, fa azo atao tsara ny mihodina kely, manaraka ny lakan-drano, mitsidika ny ala honko (mangrove), izay fonenan’ny hazandrano tahaka ny drakaka, ny tsitsika (crevette), sy ny karazana trondro afaka miaina an-tanety antsoina hoe : tsabibiky, ary ny maro hafa. Eny am-pandehanana eny dia mety hahita vorona isan-karazany ihany koa, na hifanena amin'ireo mpanihika varilava.

Mahazaka olona 5 na 6 eo ho eo ny lakana iray, izay hofaina 4 alina ho an’ny dia mandroso sy miverina, miaraka amin’ny fitsidihana ny honko, ho an’ny tera-tany malagasy. Ny tera-tany vahiny kosa dia iray alina isan’olona no alain’ireo mpitondra lakana aminy. Tahaka ny tolotra sy ny tinady eto Madagasikara, misy foana ny tombana sy ny adivarotra, fa amin’ny ankapobeny ireo.


Copyright Image : © Moov

Tanàna vezo

Rehefa miantsona eo amin’ny torapasik’i Betania, dia misy mpitaridia mitsena, toa an’i Sitraka Noa Ejeudine, izay efa voaofana manokana handray ireo mpizahatany tonga hitsidika ity tanànan’ny mpanjono ity. Arakaraky ny fahazotoan’ny tsirairay ny faharetan’ny fitsidihana.

Raha ara-tantara dia misiônera norvezianina no nanome io anaran’ny tanàna hoe : Betania io, izay anaran-tanàna voasoratra ao anatin’ny Baiboly Kristianina. Noho ny fandalovan’ireo misiônera tany an-toerana, dia kristianina avokoa ny 99%-n’ireo mponina, ka loterianina no tena maro an’isa, araka ny fanazavan’ny mpitari-dia. Raha ny fiaviana kosa dia saika vezo mpifindra-monina ny ankamaroan’ireo mponina ary mbola manohy izany fifindra-monina izany hatramin’izao, arakaraky ny fisian’ny hazan-drano eo an-toerana, na tsia. Mpanjono ihany koa mantsy no asa fiveloman’ny 98%-n’ny mponina, araka ny antontan’isa nomen’ny mpitadiria hatrany, ary mpivarotra ny 2% ambiny. Eo anelanelan’ny volana martsa sy volana desambra no misy izay fifindra-monina izay, ka mety ho tonga any amin’ny 40km miala an’i Betania ireo mpanjono, mitady hazandrano. Raha ny nambaran’i Sitraka Noa Ejeudine dia manodidina ny 3.000 olona no monina ao Betania, saingy vitsy dia vitsy ihany no hita ao an-tanàna, dia ireo zokiolona, ireo tanora mbola tsy manana fitaovana ho entina manjono ary ireo ankizy mpianatra.


Copyright Image : © Moov

Botry fitaterana entana

Ao Betania ihany koa no isan’ny ahitana ny fanamboarana lakana sy botry any amin’iny Faritr’i Menabe iny. Misy karazany ny lakana, izay misy ireo tsotsotra, natao hanjonoana tsy lavitry ny tanàna, raha misy kosa ireo azo asiana voaly ary mahatody lavitra mihitsy. Fa isan’ny tena mahaliana ny fanamboarana botry fitondrana entana. Raha ny fanazavan’ny mpitaridia dia tera-tany « breton » tany amin’ny taonjato taloha be tany no nitondra ny fahaiza-manao momba ny fanamboarana botry, tany Belo sur Mer. Lehilahy iray antsoina hoe : Lazoako kosa, izay avy any Morombe ary nifindra monina tao Betania, no nanamboatra botry voalohany tao amin’ity tanànan’ny mpanjono ity, tany amin’ny taona 1965. Taloha dia naharitra 10 taona ny fanamboarana ny botry, fa ankehitriny dia 4 taona raha ela, hoy ny fanazavan’ny mpitaridia. Miankina amin’ny fidiram-bolan’ny tompony no hahavitana azy malaky na tsia. Raha tsara ny jono dia vita vetivety kokoa izy. Lavitra ihany koa mantsy ny hakana ny hazo fanamboarana azy, satria mety hatrany amin’ny 150 km miala an’i Morondava vao mahita izany.

Hazo anakaraky sy nato, izay manana tanjaka sahala amin’ny voamboana, no ampiasaina amin’ny fanamboarana azy, araka ny fanazavana. Misy amin’ireo botry no mandeha amin’ny rivotra, rehefa ilay somary matsoko ny lohany, fa ireo manana endrika somary boribory kosa dia misy maotera. Natao hitondrana entana moa izy ireny, ary tena manan-danja be amin’ny famatsiana ireo filàna andavanandron’ireo mponina manamorona ny ranomasina sy tsy tongan’ny fiara. Tonga hatrany Antsiranana sy any Taolagnaro any izy ireny, hoy ny fitantaran’i Sitraka Noa Ejeudine, mitondra vary, sira, lafarinina, voamaina... Misy mahazaka hatrany amin’ny 40 taonina izy ireny, araka ny nambarany.


Copyright Image : © Moov

Fomba tsy azo ialana

Misy fombafomba manokana atao rehefa nahavita botry ny olona iray, araka ny fanazavan’ny mpitaridia. Anaovana fety be maharitra iray andro sy tapany mihitsy, ary anasana ny fiarahamonina. Tsy maintsy angatahana tsodrano avy amin'ny olobe, satria tsy mora izany handefa ny fananana eny afovoan-dranomasina izany, sy hiandriaka andro maromaro eny amboniny eny. Miandry ny ranomasina hiakatra tsara (marée haute) avy eo, dia mihazo ny ranomasina, amin’ilay vao maraim-be iny. Ny lehilahy no manosika ny botry miala eo an-tanàna midina eny an-driaka. Mandritra izany, mankahery azy ireo amin’ny tehaka, horakoraka sy hira ny vehivavy. Rehefa tonga eo amin’ny ranomasina dia alentika ao anaty rano ilay tompon’ny botry ary tsy avela hitraka avy ao raha tsy efa manomboka sempotra. « Izany dia mba hahatsiarovany fa nivoaka sempotra izy vao nahavita io botry io, ary mba hijanona ho sarobidy aminy ilay botry ka ho hainy ny mitantana azy », hoy i Sitraka Noa Ejeudine.

Tsy misy ny sekoly manokana mampianatra mamily botry, fa ifandovan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Manomboka eo amin’ny faha-14 taonany ny zatovolahy dia efa entina miandriaka sy atoro ny fomba fanao. Tsy voatery ho ny tompony anefa no mitondra ny botry, fa afaka manakarama kapiteny izy, hiandraikitra ny fananany.


Copyright Image : © Moov

Iray amin’ireo tantara raketin’i Betania ny fanamboarana botry, fa mbola maro ireo tantara mahaliana zarain’ny mpitaridia, rehefa tonga mitsidika any. Sady mampitombo ny fahalalana an’i Madagasikara no mampiroborobo ny fizahantany anatiny ary manohana ny asa fiveloman’ireo mponina eny ifotony ny fitsidihana tanàna kely tahaka ity tanànan’ny mpanjono ity.



Lire la suite

Articles Similaires