• Cours de change
  • 5116.73 AR
  • |
  • $4475.66 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Toliara II - Grotte Sarodrano : Dobo voajanahary anaty lavabato, amoron-dranomasina

02/12/2025 06:29 © Moov

Dobo anaty lavabato voajanahary, ifangaroan'ny loharano avy any an-tendrombohitra sy ny ranomasina, mitahiry trondro maroloko hafakely.

Madio mangatsakatsaka ny rano ao amin'ny Grotte Sarodrano. Tazana tsara avokoa ireo trondro isan-karazany : maro ireo trondro tsy dia fahita firy ka manopy fotsy na manga.

Sarodrano, lalana mizotra any Saint-Augustin

Any Toliara II no misy an'i Sarodrano, 15 kilometatra miala ny renivohitr'i Toliara I. Ny lalana mankany Saint-Augustin no aleha : mila fiara 4x4 satria lalam-pasika sy vatovato no izorana, sady misy fiakarana sy fidinana maromaro.
Tanànan'ny mpanjono i Sarodrano, ka mivelona amin'ny jono ny ankamaroan'ny mponina. Misy ireo mamatsy ny tsena anatiny, raha misy ihany koa ireo manendy trondro na crevette na langouste izay amidy amin'ireo mpizahatany sy mpialasasatra. Ankoatra ny jono nefa, misy ihany koa ireo mamboly lomotra (algue marine), izay hamainina ka hanina sy amidy amin'ny mpanangom-bokatra. Ireo lomotra malefaka sy somary manify no azo atao laoka, ka ireo vaventy no avadika plastika, fanaka na famonosana (emballage) ekolojika.


Copyright Image : © Moov

"Grotte sacrée"
Toerana manankasina ny Grotte ao Sarodrano. Ara-tantara, nisy mpanjoko notarihana Tromba tao an-toerana fahiny, hany ka lasa toerana fanasinana eny an-toerana. Ny foko Vezo sy Antandroy no tena mpanao joro, mba hanaovana fangatahana isan-karazany. Tsy mifidy foko sy fiaviana nefa ny rano, ka azon'ny rehetra atao ny manonona izay faniriana, na arak'asa na ara-pianakaviana na ara-pahasalamana.
Tsy voatery ho mpanaraka fomba avokoa nefa ireo mpitsidika. Noho ny hakanton'ny toerana, mamonjy io Grotte io na vahiny na malagasy mandalo ao Toliara. Araka ny lovantsofina nampitaina tamin'ireo tompon'andraikitra, mitondra fahasoavana (porte-bonheur) ny filomanosana ao amin'ilay rano.
Ireto misy teboka tokony fantatra :
-Andoavam-bola ny miditra ao amin'ny Grotte Sarodrano. 5 000 ariary isan'olona ny vidim-pidirana, na teratany Malagasy na vahiny ;
-Esorina ny kapa rehefa midina any amin'ny faritra misy rano ;
-Tsy mahazo milomano na mikasika rano ny vehivavy tonga fotoana ;
-Tsy azo anaovana maloto ny toerana, izany hoe mivoaka ny rano raha sendra poritra ;
-Fady kisoa ny toerana. Tokony misaika tsara ny mpitsidika raha nihinana kisoa, mialoha ny handehanana any amin'ilay dobo anaty lavabato.
Mangatsiatsiaka ery ny rano, ka maro ny tombontsoa azo avy amin'ny filomanosana ao : mampihena ny rarintsaina, manala ny "bronzage" amin'ny hoditra, mampalandina ny hoditra, sns. Marihana fa zara raha masira ny rano, ka tsy mampipetapetaka ny hoditra na ny volo.


Copyright Image : © Moov

Faritra Arovana Tsinjoriake

Tafiditra ao anatin'ny "Aire protégée de Tsinjoriake" ny Grotte sacrée Saradrano. Anisan'ny "Réserve naturelle" ao Saint-Augustin io dobo voajanahary anaty lavabato io.
Tsara ny manamarika fa maromaro ireo toerana azo tsidihana tsara ao amin'ny Faritra Arovana Tsinjoriake. Ankoatra ny Grotte Saradrano, misy ny Tropique du Capricorne, ny Grotte Binabe, ny Renirano Onilahy, ny loharano Andoharano ary ny Arboretum Antsokay.



Lire la suite

Articles Similaires