• Cours de change
  • 5072.07 AR
  • |
  • $4466.94 AR
Copyright Image : © Minsan
Image
Vaovao

Fahasalamana : Hatsaraina ny fampitaovana ilaina amin’ny fitarafana sy ny fitiliana eny anivon’ny Hôpitaly

21/11/2025 14:15 © Moov

Nanatanteraka fitsidihana tampoka teny amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Dokotera Magnana Monira.

Nijery ny zava-misy

Hôpitaly isan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara ny HJRA ary saika hita ao avokoa ny sampan-draharaha mikasika ny fitsaboana rehetra. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy araka izany izy ity. Marihina ihany koa fa na eto Antananarivo aza no misy azy dia ahitana marary avy amin’ny lafy valon’ny Nosy izy. Ity fidinana ifotony notanterahin’ny Minisitra ity, dia natao indrindra hijerena ny zava-misy hahafahana mampivoatra sy manatsara ny fitsaboana ho an’ny rehetra. Izany, izay isan’ny tanjona voalohan’ny Fitondrana amin’izao fotoana izao.
Notsidihin’ny Minisitra tamin’izany ny sampan-draharaha maro toy ny "service oncologie pédiatrique", "neurochirurgie", "imagerie médicale", "laboratoire" ary ny "urgence". Nijery akaiky ny filàna ao amin’ity toeram-pitsaboana ity ihany koa ny tenany sy ny ekipany. Hisy ny fikaroham-bahaolana mba hamenoana izany, raha ny nohazavaina. Nanamafy kosa anefa ny tenany fa ilaina ny fanatanterahana ny asa lavitry ny kolikoly ; rehefa avy nankasitraka sy nanome hery ny mpiasan’ny fahasalamana noho ny ezaka sy adidy lehibe ataon’izy ireo isan’andro amin’ny fikarakarana ny marary.

Mitohy ny fanatsarana eny amin’ny Hôpitalim-panjakana

Nivoitra taorian’izao fitsidihana nataony izao fa mitohy ny ezaka fanatsarana ny fandraisana sy ny fitsaboana eny anivon'ny Hopitalim-panjakana rehetra. Notsindriana manokana ny eo amin’ny fampitaovana, mba hanomezana fitsaboana tsara ny Malagasy. « Hanaovana ezaka lehibe mba hanomezana fahafahampo ny vahoaka amin’izao fotam-panavaozana izao ny fanatsarana sy fampitaovana mirindra amin’ny alalan’ny fitarafana sy fitiliana », hoy Ramatoa Minisitra. Raha tsiahivina dia roa taona ihany no hananan’ireo minisitra amin’izao fanavaozana izao. Raha jerena ihany koa ny Volavolan-dalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana (PLFI) 2026 dia nampiakarina ho 89 Miliara ariary no natokana ho an’ny Fahasalamana, izay heverina hampiakatra ny lentan’ny fandraisana ny marary. Etsy ankilany dia nanambara ihany koa ny Minisitra fa mihaino ny avy amin’ny sehatra rehetra ny tenany, hahafahana manatsara izany sehatra misy azy izany.

Lire la suite

Articles Similaires