• Cours de change
  • 5072.07 AR
  • |
  • $4466.94 AR
Copyright Image : © Cnaps
Image
Vaovao

Fiahiana ara-tsôsialy : Niakatra ho iray alina ariary ny volan-jaza sitrahana eo anivon’ny CNaPS

20/11/2025 18:03 © Moov.Mg

Nitsidika ny Tahirim-Pirenena momba ny Fiahina ara-tsosialy (CNaPS), androany 20 novambra 2025, ny minisitry ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana, Florent Soatiana Bety Léonne. Nambarany ofisialy, nandritra izany, ireo fisondrotana hotsitrahin’ireo mpikambana eo anivon’ny CNaPS, momba ireo tohana ho an’ny fianakaviana.

Fiahiana ara-tsôsialy ho an’ny fianakaviana

Tapaka nandritra ny filànkevitry ny governemanta, ny talata 18 novambra lasa teo, fa hisy ny fampiakarana ireo vola tohana ho an’ny fianakaviana, homena ireo mpisitraka izany eo anivon’ny CNaPS. Voakasik’izany mivantana ny volan-jaza, izay nahitam-piakarana 42%, izany hoe : lasa 10.000 Ar isan-jaza isam-bolana, raha toa ka 7.000 Ar izany teo aloha. Miankina amin’io volan-jaza io no hikajiana ny volan’ny bevohoka sy ny volan’ny mpitaiza kely, araka ny fanazavan’ny minisitra. Avo 9 heny amin'izany volan-jaza izany ny volan’ny bevohoka, izany hoe : lasa 90.000 Ar, raha avo 12 heny kosa ny volan'ny mpitaiza kely, izany hoe : lasa 120.000 Ar indroa miantoana no raisin’izy ireo.

Mihatra avy hatrany izany fiakarana izany, raha vao tapaka teo anivon'ny filànkevitry ny governemanta, hoy hatrany ny minisitra Florent Soatiana Bety Léonne. Tanjona ny tena hampipaka ny fiahiana ara-tsôsialy any amin’ireo mpisitraka, hoy izy. Nandritra ity fitsidihana ny CNaPS ity moa no nijeren’ny minisitra sy ny ekipany ny fomba fiasa sy ny fomba fandraisana olona eo anivon’ny Tahirim-pirenena. Nanditra izany ihany koa no namantarana ireo fanatsarrana rehetra azo atao.

Mitohy ny raharaha CNaPS/SMGD

Nanotrona ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana, nandritra ity fitsidihana ity, ny tale jeneralin’ny CNaPS, Rahaingonjatovo Vimbina. Nitondra fampahafantarana fohy momba ny raharaha ifanolanan’ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) sy ny CNaPS izy, taorian’ireny fihainoana tomponandraikitra maromaro teny amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly (PAC) ireny. Tsotra ihany no nambaran’ny tale jeneralin’ny Tahirim-Pirenena momba ny Fiahina ara-tsosialy, dia ny hoe : mbola mitohy iny raharaham-pitsarana iny.

Mbola mitohy hatrany ihany koa, ny fandraisan’ny CNaPS ny antontan-taratasy fitazoman-jo, hahafahan’ireo fianakavina misitraka ny volan-jaza. Hatramin’ny 31 desambra 2025 ny daty fara-fanaterana izany, eny amin’ny biraon'ny CNaPS rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires