Bevohoka : ‘ndeha ho fantarina ny mikasika ny « monitoring fœtale »
Ny « monitoring fœtale » no fomba ahafan’ny mpitsabo na ny mpampiteraka manara-maso ny fahasalaman’ny zaza ao am-bohoka. Matetika ny androntry ny fiterahana no hanatanterahana azy io, nefa koa azo atao mandritra ny fitondrana vohoka ihany koa. Inona no atao hoe « monitoring fœtale » ? Inona no antony hanaovana azy io ? Araho eto ny andinindininy tsara fantatra.
Inona no atao hoe « monitoring fœtale » ?
Ny « monitoring fœtale » dia fomba iray ahafahana manara-maso ny fahasalaman’ny zaza ao am-bohoka manditra ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana. Raha ny marina kokoa dia fitaovana ampiasain’ireo mpiasan’ny fahasalamana mba hanaraha-maso ny fitempon’ny fon’ny zaza ao am-bohoka sy ny « contractions » ny reny mandritra ny vohoka sy ny fiterahana izy io. Izany moa dia mba hahazoana antoka fa mahazo oksizenina tsara ny « fœtus » ary ara-dalàna ny fitepon’ny fony. Marihana fa misy karazany roa ny « monitoring fœtale » :
« Monitoring fœtale externe »
Izy ity moa no fomba fanaovana « monitoring fœtale » fampiasa matetika kokoa sy tsy dia « invasive ». Miendrika fehikibo roa « élastiques » atao manodidina ny kibon’ny bevohoka izy io. Ny fehikibo voalohany dia misy « capteur à ultrason » izay mandrakitra ny fitepon’ny fon’ny zaza ao am-bohoka. Ny fehikibo faharoa kosa dia ahitana « capteur de pression » izay mandrefy ny tanjaka sy ny hatetiky ny « contractions » na fikainkon’ny tranon-jazan’ny bevohoka.
« Monitoring fœtal interne »
Ity karazana « monitoring fœtale » ity dia tanterahana rehefa tsy ampy ny « informations » avy amin’ny « monitoring fœtale externe » na koa raha misy mampiahiahy ny fahasalaman’ny zaza ao am-bohoka. « Précis » sy mivantana kokoa ny angona (données) azo avy aminy. Ampidirana « électrode » manify avy ao amin’ny vozon’ny tranon-jaza ary apetaka moramora eo amin’ny hodi-dohan’ny zaza ao an-kibo. Io « électrode » io no mandrefy ny fitepon’ny fon’ity farany. Mety ampidirana « cathéter de pression intra-utérin » ihany koa handrefesana ny tanjaka marin’ny « contractions ».
Tsy afaka atao ny « monitoring fœtale interne » raha mbola tsy vaky ny ranon-doha ary mbola tsy misokatra tsara ny vozon’ny tranon-jaza.
Ny maha zava-dehibe ny fanaovana « monitoring fœtale »
Ny « monitoring fœtale » dia manampy ny mpitsabo sy ny rasazy amin’ny fepetra raisina mikasika ny vohoka sy ny fiterahana. Ny fanaraha-maso ny fitepon’ny fon’ny zaza ao am-bohoka sy ny « contractions » ny bevohoka dia ahafahana mamaritra mialoha raha sendra misy olana ny fitondrana vohoka. Izany moa dia manampy azy ireo handray ny fanapahan-kevitra sahaza mba hanavotana ara-potoana sy azo antoka ny ain’ny zaza ao am-bohoka sy reny.