Bevohoka : ireo sakafo tsara fadiana mandritra ny fitondrana vohoka
Mila mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana ny bevohoka mandritra ny fitondrana vohoka mba hahazoany ny otrikaina ilain’ny vatany sy amin’ny fitomboan’ny zaza ao an-kibo. Misy kosa etsy andaniny ireo karazana sakafo tsara tandremana satria mety hitarika otrikaretina ka hampisy vokadratsy eo amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Andeha ary ho fantarina eto ireo sakafo tsara fadian’ny bevohoka.
Ireo sakafo tsara fadian’ny bevohoka hisorohana ny « listériose »
Misy amin’ireo otrikaretina azo avy amin’ny bakteria izay mety mahavoa ny bevohoka ka hitarika fahasarotana eo amin’ny vohoka, anisan’izany « listériose ». Avy amin’ny sakafo mitondra ny bakteria « listéria » no mety hahazoana azy io. Ny « listériose » dia mety mahafa-jaza, maha teraka tsy tonga volana, mahafaty ny zaza ao am-bohoka na hiteraka « infection » eo amin’ny zaza vao teraka.
Mba hisorohana io aretina io dia misy ireo sakafo mila fadiana mandritra ny fitondrana vohoka : fromazy vita amin’ny ronono manta, ny hodina fromazy, ny « charcuteries », ny hena manta na tsy masaka tsara, ny trondro manta, ny hazan-dranomasina tsy masaka tsara sy ny « coquillages crus » toy ny « huîtres », tekateka…
Ireo sakafo mety amin’ny bevohoka satria mety mahavoan’ny « toxoplasmose »
Misy bevohoka sasany no tsy « immunisées » amin’ny « toxoplasmose ». Ity farany dia aretina mety hiteraka fahasarotana eo amin’ny fitondrana vohoka. Avy amin’ny katsentsitra iray (indraindray avy amin’ny saka) no hahazoana azy io. Anisan’ny mety ho fiantraikany ny tsy fitomboana tsara eo amin’ny zaza ao am-bohoka, fiterahana tsy tonga volana…
Mba hisorohana ny fahazoana ny aretina « toxoplasmose » mandritra ny fitondrana vohoka dia tsara raha tsy miompy saka mandritra ny fitondrana vohoka. Ankoatra izay dia misy ireo sakafo tsara fadiana, ka anisan’izany ny hena manta na tsy masaka tsara, ny hena « fumées », ny « crudités » raha toa ka tsy azo antoka tsara ny fanasana ireo legioma nampiasana tamin’ny fikarakarana izany.