Zaza tratry ny « hydrocéphalie » : inona no mety ho fiantrakan’izany ?
Ny « hydrocéphalie » dia aretina miseho amin’ny fahalebiazan’ny haben’ny « périmètre crânien » mihoatra ny tokony ho izy. Inona avy ireo soritr’aretin’ny « hydrocéphalie » ? Inona no mety ho fiantraikan’izy io ? Ahoana ny fitsaboana azo atao ? ‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny aretina « hydrocéphalie » eo amin’ny zaza.
Inona no atao hoe « hydrocéphalie » ?
Ny « hydrocéphalie » dia azo faritana ho fisiana rano mihoatra ao anatin’ny loha. « Pathologie neurologique » avy amin’ny fisiana « liquide céphalo-rachidien » amin’ny fatrany ambony loatra ao anatin’ny « cavités » na « ventricules » ny atidoho izy io. Rano (liquide) ara-boajanahary ao anatin’ny loha, eo anelanelan’ny karan-doha sy ny atidoha, ny « liquide céphalo-rachidien ».
Mitana anjara asa maro, toy ny fitondrana ny hormonina, famoahana ireo loto avy amin’ny atidoha… izy io. Ny « ventricules » ny atidoha no mamokatra azy ary mivoaka miaraka amin’ny fikorian’ny rà, avy amin’ny lalandrà lehibe ivelan’ny atidoha io rano io. Raha toa ka misy olana, toy ny hoe tsentsina na misy tsy fahatomombanana ny fivoahany io « liquide céphalo-rachidien » io dia lasa miangona ao anatin’ny loha sy mampibontsina ity farany, ka izay no atao hoe « hydrocéphalie ».
Mety ho hatrany am-bohoka ny « hydrocéphalie ». Raha izany no mitranga dia misy ifandraisany amin’ny « malformation » nandritra ny vohoka izy io. Matetika moa dia avy amin’ny aretina nahazo ny bevohoka, toy ny « rubéole, toxoplasmose) na taoriana « hémorragie » noho ny fahaterahana tsy tonga volana aloha be. Mahalana kokoa ny hoe aty aoriana vao tratry ny « hydrocéphalie » ny zaza iray. Amin’ny ankapobeny dia mety ho avy amin’ny « choc », « hémorragie », « tumeur cérébrale », aretina toy ny « méningite »… no mety mahatonga azy.
Ireo fambaran’ny « hydrocéphalie »
Ny fambara voalohan’ny « hydrocéphalie » dia ny fahalebiazan’ny haben’ny loha an’ilay zaza. Mivelatra sy mibontsina ny handriny ary mety somary misokatra kely ny loha maleminy. Ireo lalandrà eo amin’ny handrina sy ny karan-doha dia somary « dilatées » sy tazana. Ny masony dia somary mitifitra amin’ny sisiny ivelana, ny fijeriny dia mitodika ambany. Mifantoka indrindra amin’ny fandidiana mba hamoahana ny rano miandrona ao anatin’ny loha ny fitsaboana ny « hydrocéphalie ».
Inona no mety ho fiantraikan’ny « hydrocéphalie » eo amin’ny zazakely ?
Ny fiantraikan’ny « hydrocéphalie » eo amin’ny zaza tratran’izany dia mety hitarika soritr’aretina samihafa vokatry ny « hypertension intracrânienne » aterak’ilay fiandronana rano.
Eo amin’ny zaza menavava :
-Kizitina ;
-Mandoa ;
-Mikikiaka mafy ;
-« Apathie ».
Eo amin’ny ankizy « hydrocéphalie acquise » :
-Mifanintona sady mandoa ;
-Malain-komana ;
-Malemilemy sady kizitina ;
-« Trouble visuels », njola ;
-« Puberté » aloha be eo amin’ny ankizy vavy ;
-Olana eo amin’ny « fonctions exécutives », toy ny fahafahana misaina, mamaha olana…