Fomba fanaovana « madeleines » matsiro sy kely masonkarena
Isan’ireo tsakitsaky be mpankafy ny « madeleines ». Azo atao « goûter » ho an’ny mpianatra sy mahavoky tsara. Efa nentina teto ny fanamboarana « madeleines » malefaka ho an’ny mpianakavy. Ny atoro eto indray dia ny fanaovana « madeleines » matsiro nefa kely masonkarena. Azo atao fitadiavam-bola sy hahazoana tombony ho an’ireo te hivarotra.
Ireo akora ilaina raha hanao « madeleines » kely masonkarena
-Lafarina 500g ;
-Levure chimique 1 fonosana ;
-Levure boulanger 2 sotrokely ;
-Sira 1 tsongo ;
-Siramamy 150g ;
-Rano 400ml ;
-Menaka 100ml ;
-Yaourt 1 ;
-Vinaigitra 1 sotrokely ;
-Parfum hanomezana hanitra azy, toy ny zeste de citron, lavanila, coco…
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Arotsaka anaty koveta kely na saladier ireo akora ranony. Izany hoe ny rano, menaka vinaigitra sy yaourt. Afangaro kely.
Alefa ao manarak’izay ireo akora vovony rehetra, dia ny lafarina, siramamy, levure chimique, levure boulanger, sira ary ny parfum. Kapohana miaraka amin’ny fouet mba hifangaro tsara daholo.
Avela hilona mandritra ny 30 minitra. Saromana mba tsy hidiran’ny loto.
Etsy andaniny hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Rehefa vonona ilay paty nalona teo dia hosorana menaka tsirairay ny lasitra (moules) fanaovana « madeleines ». Tsinjaraina ao anatin’izy ireo ny paty. Andrahoina anaty lafaoro tokony eo ho eo amin’ny 25 minitra eo. Jerena matetika nefa sao may. Rehefa mahazo loko dia tsindromina kely amin’ny lohan’antsy. Raha tsy manaraka intsony ny paty dia vita izy izay.