« Mastodynie » na fanaintainan’ny nono : ‘ndeha ho resahana
« Mastodynie » no fiantso ara-medikaly ny fanaintainana ao amin’ny nono. Mety ho « sensibilité » fotsiny ihany izy io, mety ho fahatsapana toy ny hoe misy mavesatra na manery ao amin’ny nono, nefa koa mety ho fanaintainana mafy. Inona ary no mety mahatonga azy ?
Inona no antony mety mahatonga ny « mastodynie » ?
Ny « mastodynie » dia fanaintainan’ny nono mety miseho amin’ny fomba samihafa :
Amin’ny faritra iray manokana na manerana ny nono. Mety ho eo amin’ny faritra manokana eo amin’ny nono no tsapa ilay fanaintainana nefa koa mety miparitaka manerana ny nono ;
-« Unilatérale » na « bilatérale ». Izany hoe mety ny nono ilany ihany na ny nono roa no voakasik’izany ;
-« Cyclique » na tsia. Isan’ny fanavahana tena ilaina fantatra izy io.
Ny « mastodynie cyclique » no isan’ny tena mpitranga. Avy amin’ny fikorontanan’ny hormonina mandritra ny fadim-bolana no mahatonga azy io. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny andro vitsy alohan’ny fadim-bolana no mitranga ilay fanaintainan’ny nono ary misinda izany rehefa tonga fotoana.
Ny « mastodynie non cyclique » dia tsy misy ifandraisana amin’ny fadim-bolana ary mety mitranga amin’ny fotoana rehetra. Maro ireo antony mety mahatonga azy io :
-« Kystes mammaires » ;
-« Infections » ao amin’ny nono ;
-Voadoana na misy ratra ny nono ;
-Tati-nono tery loatra, malalaka loatra na tsy mipetraka tsara ;
-Lehibe loatra ny nono ka manavesatra sy mandrirotra ny « ligaments de Cooper » ;
-Fanafody sasany, toy ny « antidépresseurs » na fanafody fitsaboana ny tosidrà.
Oviana no tokony manantona mpitsabo ?
Amin’ny ankapobeny dia tsy dia misy atahorana loatra ny « mastodynie » raha toa ka « cyclique » izy io. Mila manantona mpitsabo kosa raha « non cyclique » io fanaintainan’ny nono io, indrindra raha manaintaina loatra, tsy misinda afaka andro vitsivitsy na koa misy fambara hafa mitranga, toy ny hoe mavaivay, mivaramena, misy nana mivoaka…
Marihana fa ny ankamaroan’ny homamiadan’ny nono dia tsy misy fanaintainana. Ny fisian’ny fambara toy ny hoe misy mivonto ao amin’ny nono, miova endrika na habe ny nono, misy rà mivoaka… dia tokony handrisika hanantona mpitsabo.