• Cours de change
  • 5174 AR
  • |
  • $4460.52 AR
Copyright Image : © Aquamarina Costa Brava
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mitohana sy misy « ballonnements » matetika : inona no atao ?

08/09/2025 15:13 © Moov.Mg

Atao hoe mitohana ny olona iray rehefa tsy mahalana be vao mikàkà (latsaky ny in-3 isan-kerinandro), ary matetika dia mafy sy sarotra mivoaka ny maloto. Ny « ballonnements » kosa dia ny fiandronan’ny rivotra anaty tsinay ka tsy mampahazo aina, mandefa rivotra matetika sy mampibontsina ny kibo. Raha indraindray izany vao miseho dia tsy dia atahorana. Raha maharitra kosa, manaintaina na miaraka amin’ny fihenana lanja dia mila manantona mpitsabo.

Ireo sakafo tsara fadiana na ferana raha mitohana na misy « ballonnements »

Arak’ireo manam-pahaizana dia misy karazana sakafo mampiadana (ralentir) na mandrisika ny « fermentation intestinale ». Ireo sakafo ireo dia tsy tsara hoanina na mila ferana raha toa ka mitohana na misy « ballonnements » matetika. Anisan’ireo sakafo ireo ny :
-Voamaina na « légumineuses » tsy voakarakara tsara. Izy ireo dia manankarena « fibres insolubles » izay mety mampisy rivotra sy manavesatra ny tsinay raha toa ka tsy nalona tsara vao nandrahoina na koa raha tsy masaka tsara ;
-« Crucifères » toy ny laisoa, soflera… Mitahiry « soufre » na « fibres » sarotra levonina ireo karazana sakafo ireo ka mahatonga rivotra ao anaty tsinay ;
-Kiendiendy sy sakafo matavy noho izy ireo mampiadana ny « vidange gastrique » sy manavesatra ny fandevonan-kanina ;
-Vokatra azo avy amin’ny ronono. Sarotra levonina izy ireny, indrindra eo amin’ireo olona tsy mahazaka ronono ;
-Zava-pisotro misy « gaz ». Mampitombo mivantana ny habetsaky ny « gaz » ao anatin’ny vavony izy ireny ;
-Sakafo voahodina. Zara raha misy « fibres » tsara izy ireny nefa be menaka sy « additifs » ka manakorontana ny « flore intestinale ».

Ireo karazana sakafo tsara hoanina

Misy ireo karazana sakafo tsara hoanina raha toa ka mitohana na misy « ballonements » matetika. Anisan’izany ny :
-Voankazo sy ny legioma izay misy « fibres douces » ;
-« Yaourt » sy ny « kéfirs » izay manankarena « probiotiques » mba hamerenana ny « microbiote » ;
-Fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro.

Oviana no tokony manantona mpitsabo ?

Marihana fa tsy ampy hitsaboana ny fitohanana na ny « ballonnements » maharitra ny fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Mila manao fanatanjahantena matetika mba handrisihana ny « transit ». Mila mianatra mifehy ny rarintsaina ihany koa satria ny misy fiantraikany eo amin’ny fandevonan-kanina ny fihetseham-po. Raha toa ka tsy mety misinda ireo soritr’aretina na vao maika mihamafy dia mila manantona mpitsabo. Ity farany no manao ny fizahana sy ny fitsaboana raha toa ka misy olana ara-pahasalamana hafa mahatonga ny fitohanana sy ny « ballonnements ».

Lire la suite

Articles Similaires