• Cours de change
  • 5148.12 AR
  • |
  • $4455.96 AR
Copyright Image : © Rvk
Image
Vaovao

Vanim-potoanan’ny afo : Nahitana tebok’afo miisa 2.194 manerana ny Nosy, omaly

28/08/2025 16:38 © Moov.Mg

Mihalasa aloha hatrany ny vanim-potoanan’ny afo eto Madagasikara. Manoloana izany dia manao fanentanana, ny mba hiarahan’ny rehetra miady amin’ny afo, ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, indrindra ireo afo mety hitarika fahapotehan’ny faritra arovana.

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny afo i Madagasikara

Raha ho an’ny andron’ny omaly 27 aogositra 2025 dia tebok’afo miisa 2.194 no hitan’ny zanabolana, araka ny fizarana navoakan’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Tany amin’ny faritra Andrefan’i Madagasikara no nahitana tranga betsaka indrindra, na dia faritra maro manerana ny Nosy aza no nahitana izany. Nisy tamin’ireo afo no nahakasika faritra arovana, tahaka ny tany amin’ny faritra arovana Ankeniheny-Zahamena, any Alaotra Magoro ; Mahavavy Kinkony any Boeny ; Tsimembo Manambolomaty any Melaky…

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny afo isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy ny minisitry ny MEDD, Fontaine Max Andonirina, raha toa ka ny volana ôktôbra vao nitranga izany, tany ho any amin’ny 10 taona lasa. Na izany aza dia efa niomana efa hatry ny ela ny MEDD sy ireo mpitantana ny faritra arovana, hoy ny minisiritra. Tafiditra ao anatin’izany ny fizarana, ao anaty pejy Facebook an’ny ministera, ireo vinan’ny trangana afo, hahafahan’ny rehetra miomana. Isan’ny fomba fiomanana notanterahin’ny MEDD ihany koa, hoy hatrany izy, ny fanolorana fitaovana ho an’ireo mpiandraikitra ny faritra arovana, izay iarahana miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka. Zava-dehibe ny fahafahana mampiasa ny fiaramanidina « bombardier », vokatry ny fanohanan’ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika.

Manova fomba amam-panao

Nanamarika Ratefason Zafindragisimary Tojotsara, talen’ny faritra arovana eo anivon’ny MEDD, fa ny tsy fitandremana indray mipi-maso monja dia mety hamotika velaran-tany arovana midadasika, ao anatin’ny ora vitsy. Notsiahiviny fa miisa 125 ireo faritra arovana eto Madagasikara no efa nahazo ny Didim-panjakana momba ny famoronana maharitra (décret de création définitive). Nanamafy, noho izany, i Fontaine Max Andonirina, fa voararan’ny lalàna ny mandoro tanety, ka tsy maintsy hampiharina ny lalàna, ary tsy misy indrafo mihitsy. Vao mainka mafy ny sazy raha ala voajanahary na faritra arovana no nodorana, satria ny fehezan-dalàna momba ny faritra arovana (COAP) no ampiasaina, araka ny nambarany.

Nanentana ny Malagasy rehetra ny talen’ny faritra arovana mba hanova ireo fomba amam-panao izay miteraka afo, toy ny fanadiovana ny toeram-pambolena amin’ny alalan’ny afo, izay zava-panaon’ny vahoaka eny ifotony. Niantefa tamin’ireo tanora ihany koa ny antsony : « aza ekena hodoran’ny olona ny hoavinareo », hoy izy, raha namporisika ireo tanora handray andraikitra amin’ny fiarovana ny ala sy ireo faritra arovana. Ny laharana maitso 955 moa no antsoina, mba hahafahana mandray fepetra haingana, raha toa ka mahita trangan’afo.

Lire la suite

Articles Similaires