• Cours de change
  • 5143.69 AR
  • |
  • $4448.56 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Mponina eny ifotony : Misitraka ampaham-bola avy amin’ny saram-pidiran’ny valanjavaboary

27/08/2025 10:37 © Moov.Mg

Naverina indray ny fanomezana ampaham-bola avy amin’ny saram-pidirana amin’ny valan-javaboaary (DEAP : Droit d’Entrée au Aires Protégées), mba ho fanohanana ny mponina eny ifotony amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny velon-tenan’izy ireo. Omaly 26 aogositra 2025 no nanatanterahana ny lanonana ôfisialy mahakasika izany, tany amin’ny valan-javaboaary Analamazaotra Mantadia any Andasibe.

Efa tany amin’ny 15 taona lasa tany no nanomezana ny DEAP farany, ho an’ireo COSAP (Comité d'Orientation et de Soutien des Aires Protégées) sy ireo vondron’olona ifotony monina manodidina ireo faritra arovana izay tantanan’ny Madagascar National Parks (MNP). Anton’izany ny fisian’ireo krizy maro nifandimby teto amin’ny firenena sy teo amin’ny sehatry ny fizahantany, araka ny nambaran-dramatoa tale jeneralin’ny MNP, Rakotoarisoa Ony, nandritra ny fandraisam-pitenenany, omaly. Mitantana valan-javaboaary miisa 43 manerana an’i Madagasikara moa ny MNP, saingy ny ankamaroan’ireo dia tsy mampiditra vola amin’ny alalan’ny fizahan-tany, hoy hatrany ny fanazavan-dramatoa tale jeneraly. Ny vola azo amin’ireo sokajiana ho « site » écotouristiques », araka izany, no notsinjaraina nentina nampihodina sy nikarakara ireo valan-javaboaary ireo.

Valan-javaboaary tsidihin’ny mpizahatany vahiny

Ho an’ny andron’ny omaly, dia COSAP miisa 28 no nisitraka ny fizarana ny ampaham-bola azo amin’ny saram-pidirana amin’ny valanjavaboaary, nandritra ny lanonana izay notarihin’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. DEAP mitentina 1 lavitrisa ariary latsaka kely no notsinjaraina tamin’ireo COSAP ireo. Nomarihin-dRakotoarisoa Ony, fa miankina amin’ny tahan’ny mpizahatany vahiny tonga mitsidika ny valan-javabooary ny vola sitrahan’ny COSAP sy ny mponina manodidina. Araka izany, raha misy mpizahatany vahiny mihoatra ny 25 000 isan-taona tonga mitsidika ny valan-javaboaary, dia vola 150 tapitrisa Ar no omena ny COSAP. Raha toa kosa ka manana mpizahatany vahiny latsaky ny 5 000 isan-taona ilay valan-javaboaary, dia vola 10 tapitrisa Ar no atolotry ny MNP azy ireo.

Ho an’ny ny asa fampandrosoana eny ifotony

Rariny raha naverin’ny MNP indray ny fanomezana ny DEAP, hoy ny nambaran’ny minisitra Fontaine Max Andonirina, satria natao hanohanana ny asa fampandrosoana eny ifotony ity teti-bola ity. Ny vahoaka eny ifotony ihany no hisafidy izay hampiasana io vola io, na hanamboarana sekoly, hôpitaly, toby miaramila, na koa ho tosika ho an’ny fidiran’ny mpianatra, hoy ny fanazavany. Mampiseho ihany koa izao fahafahana misitraka ny DEAP izao, fa afaka mampidi-bola ho an’ny mponina ny fiarovana ny tontolo iainana. Mamporisika ny mponina hiaro izany tontolo iainana izany, sy hiady amin’ny fanondranana an-tsokosoko, ny fisian’ny tamberina mipaika mivantana amin’izy ireo ary miantoka ny fampandrosoana eny ifotony.

Lire la suite

Articles Similaires