• Cours de change
  • 5142.8 AR
  • |
  • $4453.4 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fiovan’ny toetr’andro : Mihena ny isan’ny andro mando ao Alaotra, mihamahazo vahana ny haintany

28/08/2025 11:53 © Moov.Mg

Tsapa tanteraka ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, hoy ny sampana mpamantatra ny toetr’andro ao an-toerana. Raha ny tatitra dia mihena hatrany ny isan’ny andro misy orana na andro mando ao anatin’ny taona iray. Vokatr’izany, mitombo ny isan'ny andro maina na tsy misy orana.

Mihena iray andro isan-taona

Isan’ny toerana tena mila hamandoana sy rano iny faritra Alaotra Mangoro iny noho ireo karazana fambolena hataon’izy ireo. Io faritra io rahateo no voalaza fa sompitr’i Madagasikara amin’ny vary. Nampahafantatra anefa ireo avy ao amin’ny mpamantatra ny toetr’andro ireo fa tato anatin'ny 44 taona farany dia hita fa nihena nanodidina ny iray andro isan-taona (0.94 j/an) ny isan'ny andro mando anatin'ny taona iray. Izany hoe manodidina ny 40 andro na 1 volana sy 10 andro eo ho eo izany ny fitombon'ny andro maina tato anatin'ny Faritra Alaotra raha ny fironana hita nandritra izay fotoana lava izay. Tsy honohono araka izany, raha ny fanazavan’izy ireo fa nohon'ny fiovan'ny toetrandro dia mihamahazo vahana ny fisian'ny haintany miverina matetika kokoa anatin'ny fotoam-pahavaratra. Mazava ho azy fa mihena mifanaraka amin'izay ihany koa ny halavan'ny taom-pahavaratra.

Andraikitry ny rehetra

Nanamarika izy ireo fa raha tsy misy ny fepetra raisina dieny izao, ho fanalefahana izany dia hihamahazo vahana hatrany io tranga ara-toetrandro io raha ny fironanana hita hatramin'izao. Samy manana ny andraikiny amin’izany avokoa ny karazan’olona rehetra. Miainga avy amin’ny asa madinika indrindra, toy ny fambolena hazo isa-tokantrano.
Tokony hampifanarahana ihany koa ny paikady haroso ho fanalefahana ny fiantraikan'ny fiovan'ny teotrandro ankehitriny, eo amin'ireo sehatr'asa maro isan-karazany miankina mivantana na an-kolaka amin'ny toetrandro. Izany dia atao amin'ny alalan'ny fahafantarana mialoha ny vinavina ny mety ho toetrandro, tonontaona, taom-pahavaratra. Ny fananana antontan’isa marina sy tsara kalitao, araka izany dia manampy betsaka amin’ity ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro ity.

Lire la suite

Articles Similaires