Mofomamy kely matsiro : 'Ndao hanamboatra "Cannelés" !
Amin'izao fialan-tsasatry ny mpianatra izao, sahirana mihitsy ireo ray aman-dreny mitady izao ho atao "goûter" isan'andro. Mampatahotra ihany koa ny mividy hani-masaka taorian'ireny loza nifanesy teto amin'ny firenena ireny.
Tsy vitsy ireo tsy mahazaka "crème" ka mifady mofomamy mihitsy. Tsy voatery hisy "crème" tokoa mantsy ny mofomamy rehetra. Ny "cannelés" dia zava-mamy matsirokely, tsy ampiasana chantilly, na crème pâtissière na crème au beurre. Tsy asiana Chocolat ihany koa io vokatra io, na dia somary manopy volon-tsokolà aza izy rehefa masaka.
Ireo akora ilaina
Akora ilaina amin'ny "Cannelés" maromaro ho an'olona 6 no atoro eto :
-Lafarinina voasivana 100 g
-Siramamy mena na fotsy 250 g
-Dibera 50 g
-Ronono 0,5 l
-Rhum 0,01 l
-Atody 4
-Lavanila tahony iray
-Sira iray tsongo
Ireo dingana arahina amin'ny fikarakarana
-Ampangotrahina miaraka amin'ny dibera sy ny lavanila ny ronono ;
-Maka lovia jobo, ka afangaro ao ny lafarinina, ny siramamy, ny atody roa, ary ny tamenak'atody roa. Arotsaka moramora avy eo ny ronono nangotraka ;
-Avela hangatsiaka, ka arotsaka ny "rhum" avy eo. Avela ao anaty vata fampangatsiahana avy eo, mandritra ny adiny iray ;
-Arotsaka ao anaty "moules" misy dibera ny pâte mangatsiaka tsara. 3/4 ihany no asiana ny fangaro fa tsy atao feno be ;
-Ampidirina anaty laforo 270°C mandritra ny 5 minitra. Avela ao ihany fa ampidinina ny maripana avy eo (180°C), ka adiny iray ny fahamasahany.
-Esorina ao anaty "moules" dieny mafana.
Tsy maintsy manana "moules" fanaovana "cannelés" raha te hanandrana io mofomamy matsiro kely io.