• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Mon Quotidien Autrement
Image
Fahasalamana&Sakafo

Rera-dava, marary lava na mora kizitina : Andramo ny "Milk Shake Banane - Chocolat"

30/06/2025 13:20 © Moov

Mora andairan'aretina ny rehetra amin'izao ririnina izao. Tsy vitsy ireo miverimberina any amin'ny dokotera noho ny sery, ny gripa sy ny aretim-bavony. Mety azo sorohina nefa izany rehetra izany, amin'ny alalan'ny sakafo ara-pahasalamana.

Miantoka ny fahasalaman'ny saina sy ny vatana, ary ny fiasan'ireo taova rehetra, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Araka ny torohevitr'ireo mpitsabo, mila mihinana voankazo sy legioma karazany dimy avy ny tsirairay isan'andro. Tsy adino ireo sakafo mitondra singa mahasoa ho an'ny vatana, toy ny vokatra azo avy amin'ny ronono, ny atody sy ny hena fotsy.
Raha toa ka mahatsiaro tsy ampy hery sy kamokamo, tsara raha manohan'aina amin'ny alalan'ny sakafo mahasoa. Raha rera-dava na marary foana na koa mora sorena amin'izay zava-misy rehetra : Andramo ny "Milk Shake Banane # Chocolat"

Vokatsoa sy fikarakarana azy

Akora fototra 3 no tena ho ampiasaina, dia ny akondro, ny ronono ary ny Chocolat.
-Akondro : Mitondra "glucides" ka mampatanjaka, misoroka ny havizanana. Manankarena vitamina sy mineraly isan-karazany mamptombo ny hery fiarovan'ny vatana. Mitondra "hormones" mampifalifaly.
-Ronono : Misy kalsioma, vitamina sy mineraly maromaro, manamafy ny taolana sady mitondra rano mahasoa ho an'ny vatana. Mampitony ihany koa ny ronono, sady mahatsara torimaso ho an'ireo tsy mety mahita tory na tapaka torimaso lava.
-Chocolat na cacao : Mampamokatra "hormones" miady amin'ny "stress" ny chocolat. Mampitony izy, sady izy sady mampitombo ny fifantohana sy ny fitadidiana. Mahatsara ny fahasalaman'ny fo rahateo izy.
Raha ho an'olona iray ny "Milk Shake Banane # Chocolat", atambatra amin'ny "mixer" fotsiny ny akondro singany 2 na 3, ny ronono 125 ml ary ny chocolat 50 g. Azo asiana lavanila raha toa ka tiana ho manimanitra tsara. Mba hahatsara endrika azy, azo asiana "crème chantilly" eo amboniny.

Lire la suite

Articles Similaires