Fomba fanamboarana « crumble à l’ananas »
Amin’izao ankatoky ny fety izao dia maro amintsika ny mikaroka sakafo miavaka ho aroso ny ankohonana. Karazana « dessert » iray mora karakaraina nefa dia matsiro tokoa ny « crumble à l’ananas ». Araho eto ny fomba tsotra fanaovana azy.
Ireo akora ilaina raha hanao « crumble à l’ananas »
Ho an’ny paty
-Lafarina 150g ;
-Dibera 120g ;
-Siramamy 50g ;
-Lavanila vovony 1 tsongo ;
-Sira lohan-tsongo.
Ho an’ny « garniture »
-Mananasy 1 ;
-Raisins secs 80g ;
-Siramamy 30g ;
-Dibera 30g ;
-Rhum 1 sotrokely.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Lomana anaty vilany kely misy rano matimaty ny raisins secs.
Hafanaina amin’ny hafanana 210°C ny lafaoro.
Voasana ary zaraina efatra ny mananasy. Esorina ilay faritra mafy ao afovoany. Rehefa vita izay dia tetehana madinika tokony eo amin’ny 1sm eo ny hateviny.
Afanaina ambony lapoaly ny dibera 30g ary endasina kely ao mandritra ny 2 minitra ireo mananasy voatetika. Atao mafana tsara ny afo. Arotsaka ao ny siramamy 30g ary tohizana miketrika mandritra ny 2 minitra. Esorina teo ambony afo ary rarahana ilay rhum. Aroharoana tsara dia avela hangatsiaka eo.
Miditra amin’ny fanaovana ny paty. Atao anaty saladier lehibe ny lafarina. Alefa eo ny dibera 120g, ny siramamy 50g, ny lavanila vovony ary ny sira. Afangaro tsara amin’ny lohan-tanana mba hahazoana fangaro mamasipasika.
Tsihifina ny raisins secs ary atao anaty lasitra miaraka amin’ireo mananasy. Somary atao mifatratra avy eo rarahana eo ambininy ilay paty namboarina teo. Ezahana voarakotra tsara ireo mananasy. Rehefa vita izay dia ampidirina anaty lafaoro mandritra ny 20 minitra.