26 jona 2025 : Fetim-pirenena Tantely amam-bahona
26 jona 1960 - 26 jona 2025. Feno 65 taona katroka ny nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena. Fifaliana lehibe tokoa izany. Etsy ankilany nefa, miisa 41 be izao ireo namoy ny ainy tato anatin'ny roa herinandro.
"Tantely amam-bahona" ny fiainana. Na dia nomanina hatry ny ela aza ny sahoby lehibe amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena faha-65 eto Madagasikara, sembanin-drahona izany. Mpiray tanindrazana maro no lavo tato anatin'ny roa herinandro.
Fahapoizinana ara-tsakafo nahakasika faritra 5
Faritra 5 be izao no naharaisana tatitra ofisialy mikasika ny Fahapoizinana ara-tsakafo mahakasika olona maro. Nanomboka izany ny teto Antananarivo, noho ny sakafo nohanina tamina fety fankalazana tsingerintaona nahaterahana teny Ambohimalaza Imerinkasinina.Tamin'ity tranga ity, voalaza fa fanapoizinana niniana natao tamin'ny alalan'ny "Donut" no nahatonga ny loza, ary efa misy mihitsy ireo notanana am-ponja noho izany. 25 be izao ireo namoy ny ainy, ary mbola am-polony ireo manaraka fitsaboana eny amin'ny HJRA.
-Mahajanga : Aina 3 no nafoy tany Mahajanga, noho ny fihinanana Charcuterie tamin'ny alahadin'ny fetin'ny Ray.
-Ambositra : Miisa 12 ny maty, noho ny sakafo nisy Charcuterie, tamina fetim-pianakaviana ny alahady 22 jona. Nodimandry ilay zazalahikely natao kaominio voalohany sy ny ray aman-dreniny.
-Toliara : Omaly 25 jona no naharenesana tatitra ofisialy fa misy trangana fahapozinana ara-tsakafo ihany koa any Toliara. Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy.
-Toamasina : Nitrangana fahapozinana ara-tsakafo ihany koa tany amin'ny faritra Atsinanana, noho ny fihinanana "Godrogodro au chocolat". Tsy nisy ny aina nafoy, ary samy nahazo fitsaboana avokoa ireo olona 6 voakasika.
Fankalazana ny fetim-pirenena
Ho an'ny tany Ambositra, andro fisaonana ny omaly, 25 jona. Najanona ny afomanga sy ny arendrina ary ireo fanentanana samihafa efa nomanina. Amin'ity 26 jona ity, sy rahampitso 27 jona vao misy fankalazana ny fetim-pirenena ao Ambositra.
Ho an'ny eto Antananarivo kosa, tsy misy fiovana ireo fandaharam-potoana nomanina rehetra. Tontosa omaly 25 jona ny lanonambe teny amin'ny Lac Iarivo Ivato. Nisy ny Afomanga, Show Drone sy fampisehoana tamin'ny alalan'ny Jet d'eau noravahana jiro maroloko. Amin'ity alakamisy 26 jona ity, ny Kianja Barea Mahamasina no mandray ny Matso lehibe fanao isan-taona. Maromaro ireo vahiny nasaina, ka anisan'ireo efa nigadona eto Madagasikara ny solontena avy any Sénégal sy Comores.
Anisan'ny andrasan'ireo mpijery ireo karazana soradihy sy "démonstration" tanterahin'ny Tafika Malagasy. Amin'ity 2025 ity, hiavaka ny fanehoana ny "Chien Robot".
Fihariana andro fety
Tsy vitsy ireo fianakaviana niezaka "nitady vola" tamin'ity fetim-pirenena 2025 ity. Nitombo ny isan'ny mpivarotra, ka ireo Arendrina sy karazana kilalao no tena namidy tamin'izany. Ireo mpanao asa tanana malagasy moa dia nifantoka tamin'ny famoronana sy famarotana "arendrina taratasy". Ireo entana natao hampifalifaliana ny ankizy sy ny fitafiana no azo lazaina fa tena nahazoana tombony tamin'ity volana jona ity. Somary mihitsoka ny sehatry ny famarotana sakafo, noho ny voina nitranga. Saika velon-taraina avokoa ireo mpivarotra hani-masaka noho ny fihenan'ny fanjifana. Mifantoka kokoa any amin'ireo vokatra natoraly (voankazo sy legioma) sy ny akoho amam-borona ny ankamaroan'ny fianakaviana Malagasy amin'izao Asaramanitra izao.