Ambositra : Andro fisaonana ny 25 jona 2025
Manjombona tanteraka ny ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania, amin'izao ankatoky ny fetim-pirenena izao.
Nataon'ireo tompon'andraikitra ao Amoron'i Mania "andro fisaonana" ny 25 jona 2025. Na dia efa nisy tokoa aza ny fikarakarana ny fankalazana ny fetim-pirenena, nahemotra izany noho ny voina namoizana ain'olona 12 be izao.
Fandaharam-potoana
Natsahatra ny Podium, afomanga sy ny zava-maneno rehetra ao Ambositra ny takarivan'ny 25 jona. Hangina tanteraka ny tanàna, ho mariky ny fiaraha-miory amin'ireo fianakaviana mana-manjo nateraky ny fahapoizinana ara-tsakafo tany an-toerana. Ho fanohizana izany, hisy ny fiaraha-mivavaka ny 26 jona. Eny Antamponivinany no hanaovana izany fotoam-pivavahana izany, izay handraisan'ireo mpanakanto ara-pilazantsara anjara.
Noho ny fetim-pirenena kosa nefa, adidy ny fankalazana izany amin'ny maha-olom-pirenena. Hisy ny Afomanga ny takarivan'ny 26 jona. Hisy fampisehoana ihany koa ny 27 jona, ka ireo mpanakanto tokony nanafana ny fetin'ny 25 jona ihany no hiaka-tsehatra.
Fandraisana fepetra
Hentitra ny fanaraha-maso ireo sakafo amidy eny an-tsena. Efa nanomboka ny fidinana ifotony ireo tompon'andraikitra avy amin'ny Ministeran'ny Varotra, ka nahatratra entana lany daty maromaro. Ireo "grossiste" sy tsena be mpanjifa moa no nifantohan'ny fitsirihana voalohany. Hamafisina ihany koa ny fanentanana ireo mpikarakara sy mpivarotra sakafo, mba hitandrovana ny kalitaon'ny vokatra ampiasaina sy ny fitandrovana ny fitehirizana izany. Nampahatsiahivina ireo mpivarotra amoron-dalana fa tsy maintsy atao anaty "vitrine" ny sakafo masaka amidy.