Fitahirizana vaksiny : CSB 2 880 no mampiasa vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro
Ankoatra ny teti-bola atokana ho an’ny vaksiny eto Madagasikara, izay mbola ambany dia ambany, dia olana mbola atrehin’ny tobim-pahasalamana sasany ny tsy fisian’ny herinaratra, hahafahana mitahiry an-tsakany sy an-davany ny vaksiny. Vahaolana napetraky ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombona antoka ny fampiasana ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Vata fampangatsiahana mifanaraka amin’ny filàna
Raha ny antontan’isan’ny Alliance Gavi, dia miisa 2 880 ireo tobim-pahasalamana (CSB) fototra efa mampiasa ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro eto Madagasikara, izany hoe : ny 97% amin’ireo CSB manerana ny Nosy. Nosafidiana ity karazam-pitaovana ity, satria mbola ambany dia ambany ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto amintsika, izay manodidina ny 30%. Ireo mpiara-miombona antoka, izay miara-miasa amin’ny Alliance GAVI, no manohana an’i Madagasikara ka nahazoana ny ampahany betsaka tamin’ireo vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miasa ankehitriny. Nokendrena manokana izy ireto mba ho raitra, maharitra, ary mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filàna, izany hoe : afaka mitazona ny mari-pana ilaina amin’ny fitahirizana ny vaksiny ao anatin’ny 72 ora fara-fahakeliny, raha toa ka sendra misy ny olana.
Mampiakatra ny tahan’ny fanaovam-baksiny
Olana atrehina amin’ny fampiasana ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro kosa, araka ny nambaran’ny eny anivon’ny CSB, ny tranga ara-toetr’andro. Isan’izany ny rivo-doza. Misy amin’ireo takelaka mandray ny herin’ny masoandro no lasan’ny rivotra mifofofofo. Indraindray koa, dobo rano ny tobim-pahasalamana, ka tratran’ny rano ny vata fampangatsiahana. Ho an’ny any Atsimo, dia isan’ny mitarika olana amin’ny fampiasana ity fitaovana fitahirizana vaksiny ity ny tiomena, izay rivotra manainga ny fasika. Mipetaka eny amin’ireo takelaka izany fasika izany, manakana ny fandraisany ny tara-masoandro, ka lasa mampihena ny tanjaky ny vata fampangatsiahana.
Eo anatrehan’izany dia efa misy ireo fepetra noraisina. Nisy fanofanana nomena ho an’ireo teknisianina eny anivon’ny Distrika sy ny ivon-toeram-pitsaboana. Araka ny lesona nosintonina avy amin’ny traikefa niainana, dia ireo takelaka mandray herin’ny masoandro kelikely velarana no mahavita miharitra kokoa ny rivotra mitsoka mafy. Ho an’ireo CSB any amin’ny tapany Atsimo, dia notoroana hevitra ireo teknisianina mba hanadio matetika ireo takelaka. Raha toa ka araka tsara ny fikojakojana, dia tena manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny taham-panaovana vaksiny eto Madagasikara ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro.