Fahapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza : Famosaviana niniana natao, olona 5 voasambotra
Famosaviana na fanapoizinana niniana natao no nitranga teny Ambohimalaza, araka ny tatitra nataon'ny Cellule de Crise.
Olona miisa 5 no efa nosamborina. Ampidirina am-ponja avy hatrany ireo voaporofo fa nandray anjara tamin'ity raharaha ity ary tsy hahazo fahafahana vonjimaika. Izany no fanambaran'ny Governemanta niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny misahana ity fahavoazana goavana ity.
Tatitra ankapobeny
Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity no nitsidika ny lakozia nikarakarana ireo sakafo natolotra ny mpilanonana ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny Ministeran'ny Varotra. Nisy ny "échantillons" sy fitaovana nogiazana nanaovana ny fitiliana. Nahitana poizina mahery vaika mantsy ny "donut" ka nahafatesana olona 18. Nisy tamin'ireo voaasa moa no nitondra izany zava-mamy izany nody, ka nahatonga ny fiitaran'ny lisitr'ireo voakasiky ny fahapoizinana ara-tsakafo. "Famosaviana" mihitsy izany fa tsy tranga tsy nahy, araka ny nambaran'ny Minisitry ny Fahasalamambahoaka.
Fanandramana natao tamin'ny voalavo
Nomena voalavo maromaro ireo sakafo natao fitiliana. Ny vokatr'izany dia nitempo mafy be ny fon'ireo biby ireo, niaraka tamin'ny fandoavana sy harerahana lalina. Maty avokoa moa ireo voalavo telo nanaovana fanandramana ireo. Izany indrindra no nahafahana nanaporofo fa nisy poizina mahery vaika ny sakafo naroso nandritra ilay fety fankalazana tsingerintaona nahaterahana teny Ambohimalaza Imerikasinina.
Fahafatesan'olona 18
Tafakatra 18 ny isan'ireo namoy ny ainy, raha ny antontan'isa voaray ny marainan'ny 18 jona. 15 no maty tao amin'ny HJRA, ny iray tao amin'ny HOMI, ny iray teny Andohatapenaka, ary ny iray tamina toeram-pitsaboana tsy miankina. Marihana fa mbola misy marary 19, tsaboina etsy amin'ny HJRA, izay ahiana ny ainy.
Efa misy moa ny "antidote", izay efa hitsaboana ireo marary amin'izao fotoana izao. Heverina fa hanavotra ny ain'ireo marary izany, indrindra ireo miady amin'ny fahafatesana. Raha ho an'ny ao amin'ny hJRA manokana, 51 no noraisina an-tanana tao amin'izy ireo hatreto ka ny 19 amin'ireo no mbola ao anatin'ilay antsoina hoe " Cas Critiques". 6 kosa no efa nalefa nody.