• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Taombaovao malagasy : Mbola andro fiasana, mandrapisian’ny daty eken’ny rehetra hankalazana azy

17/03/2026 15:11 © Moov.Mg

Mbola tsy amin’ity taona 2026 ity no hihatra ny didim-panjakana mametraka ho andro tsy fiasana fa andraisan-karama ny andron’ny Taombaovao Malagasy. Mbola tsy misy daty ôfisialy iombonan’ny rehetra hevitra mantsy hatreto, fa miandry ny fikaonan-doham-pirenena, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Nankatoavin'ny filàn-kevitry ny minisitra

Nankatoavin'ny filàn-kevitry ny minisitra, izay natao ny 26 novambra 2025, ny hametrahana ho andro tsy fiasana fa andraisan-karama ny Taombaovao Malagasy sy ny andron’ny Kolontsaina. Miandry fatratra, noho izany ny rehetra, raha toa ka ho lava ny faran’ny herinandro, amin’ity herinandro ity. Araka ny tapak’ireo mpandala ny fomban-drazana sasany mantsy, dia rahampitso 18 martsa 2026 sy rahafak’ampitso 19 martsa 2026 no hankalazana ny Taombaovao Malagasy. Manaraka ireo, ny 20 martsa 2026, no andro hankalazan’ireo mpino silamo ny Eid Al-Fitr, izay efa namoahan’ny ministeran’ny Asa, ny fampananana Asa sy ny Asam-panjakana fa andro tsy fiasana nefa andraisan-karama, manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara.

Raha ny fanazavan-dRakotovao Théo, tale jeneralin’ny kolontsaina eo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina anefa, dia mbola tsy amin’ity taona ity no hihatra ny didim-panjakana mamaritra ho andro tsy fiasana izany taom-baovao Malagasy izany, na dia efa nankatoavina teo anivon'ny Filàn-kevitry ny minisitra aza. « Ny andininy faharoa amin’io lalàna io dia milaza fa miandry ny fikaonan-doham-pirenena ny famaritana ny daty mazava sy iombonan’ny rehetra hevitra », araka ny nambarany. « Satria mbola tsy nisy ny fikaonan-doham-pirenena dia mbola tsy mihatra io didim-panjakana io, na ho an’ny Taombaovao Malagasy na ho an’ny andron’ny kolontsaina », hoy ity tale jeneralin’ny kolontsaina sady mpanakanto ity.

Miandry ny fikaonan-doham-pirenena

Raha tsiahivina dia ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha, Gascar Fenosoa, no nanolotra teo anatrehan’ny filàn-kevitry ny minisitra, ny hanamarihana manokana ireo andro roa ireo, manerana an’i Madagasikara. « Mendrika omen-kasina ny fomba malagasy, ary manana ny Taombaovao azy manokana ny malagasy, ka rariny loatra raha hankalaizana sy marihana manokana ary anokanana andro iray hiarahan’ny malagasy manontolo mifaly », hoy ny fanazavana tamin'izany. Efa nentina tany anaty fakan-kevitra niarahan’ireo mpandala ny maha-malagasy nandinika ny momba ity fankalazana ny Taombaovao Malagasy ity, saingy ny fikaonan-doham-pirenena no hanapaka farany ny momba ny daty eken’ny rehetra hankalazana azy.

Lire la suite

Articles Similaires