• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mcc
Image
Vaovao

Sehatry ny vary : Manaitra ny fitondram-panjakana ny fikambanan’ny tantsaha amin’ny fidinan’ny vidin’ny akotry

17/03/2026 16:23 © Moov

Manoloana ny fidinan’ny vidim-bary akotry nanomboka tamin’ny faran’ny taona 2025, dia maneho ny ahiahiny lalina ny Tranoben’ny Tantsaha sy ireo fikambanan’ny tantsaha manerana an’i Madagasikara. Amin’izao fotoana izao, 1 500 ariary isaky ny kilao ny vidin’ny akotry, izay vidian’ny orinasam-panjakana State Procurement of Madagascar (SPM). Io vidiny io no heverin’ny mpamokatra fa ambany loatra.

Manasarotra ny fiainan’ny mpamokatra ny fidinan’ny vidiny

Ny vary no sakafo fototry ny Malagasy ary loharanom-bola lehibe ho an’ny ankamaroan’ny tantsaha. Na izany aza anefa, miteraka olana goavana ho an’ny mpamokatra ny fidinan’ny vidim-bary akotry amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavan’ireo fikambanan’ny tantsaha, tsy mahaleo ny saran’ny famokarana intsony ny vidiny ankehitriny. Anisan’izany ny saran’ny masomboly, ny zezika, ny karaman’ny mpiasa, ny fanajariana ny tanimbary ary ny fitaterana.
Vokatr’izany dia maro amin’ireo mpamokatra no miaina fatiantoka. Ny sasany aza dia efa nanao tahirim-bary na naka findramam-bola tamin’ny banky sy ny fikambanana « microfinance » mba hanamafisana ny famokarana. Noho ny fidinan’ny vidiny anefa dia sahirana amin’ny famerenam-bola izy ireo amin’izao fotoana izao.
Ankoatra izay, mety hampihena ny fahavononan’ny tantsaha hamokatra amin’ny taom-pamokarana manaraka ihany koa ity toe-draharaha ity. Izany antony rehetra, no isan’ny antony nahatonga ny fitokonan’ireo mpamokatra tao Ambatondrazaka, ny herinandro lasa teo.

Mitaky fepetra maika ny fikambanan’ny tantsaha

Manoloana izany dia miantso ny fitondram-panjakana handray fepetra haingana ireo fikambanan’ny tantsaha, mba hiarovana ny mpamokatra sy hanamafisana ny sehatry ny vary. Anisan’ny soso-kevitra apetrak’izy ireo ny fametrahana vidim-bary farany ambany (prix plancher) ho fiarovana ny mpamokatra amin’ny fatiantoka. Angatahin’izy ireo ihany koa ny hampitomboana ny fividianam-bary ataon’ny fanjakana amin’ny alalan’ny tahirim-bary stratejika.
Zava-dehibe koa ny fanatsarana ny rafitra fitahirizana sy fanodinana vary, mba tsy voatery hivarotra avy hatrany amin’ny vidiny ambany ny mpamokatra. Ankoatra izany dia takian’izy ireo ny fanaraha-maso akaiky ny tsenan’ny vary sy ireo mpanelanelana.
Ho an’ity fikambanan’ny tantsaha ity dia ilaina ny fandraisana fanapahan-kevitra haingana avy amin’ny fitondram-panjakana mba hiarovana ny mpamokatra malagasy sy hitandroana ny fahaleovantena ara-tsakafo eto amin’ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires