• Cours de change
  • 5124.39 AR
  • |
  • $4531.43 AR
Copyright Image : © Closer To The World
Image
Madagasikara

Vavaka ho an'i Neny, Naly Rakotofiringa

25/05/2025 18:13 © Moov

Hira tsy afaka ao am-bavan'ireo mpankafy kalon'ny fahiny ilay "vavaka ho an'i neny", hira mandrotsirotsy sady mampientanentana, tena nahafantarana an'i Naly Rakotofiringa.

Anisan'ireo kintan'ny Kanto Malagasy i Naly Rakotofiringa. Teraka ny 26 aogositra 1918 izy ary nodimandry ny 28 aogositra 1983 . Mbola kely mihitsy izy dia efa nitendry « piano » imasom-bahoaka, tao amin’ny cinéma Excelsior, izay nanjary cinéma RITZ taty aoriana.

Matetika dia ventsoina amina lanonam-pianakaviana isan-karazany ny hiran'ity mpanakanto ity. Anisan'ireo hira tena malaza ohatra ny "Mariazy", "Lanitra Manga", "Tanisa", sns. Tsara ny mampahatsiaky fa mbola an'i Naly Rakotofiringa ihany koa ilay "Madagasikara : Nosy tanindrazako, izay navelan'ny razako, afoiko ho anao ny ràko ry Madagasikarako … Madagasikara ho an'ny Malagasy, Malagasy kosa ho an'i Madagasikara".


Copyright Image : © Famille Naly Rakotofiringa

Tononkira - Vavaka ho an'i Neny, hira tsy lefin'ny taona

Ho tahiana anie i Neny
Izay nitondra folo volana
Nahitako ny masoandro
sy ny kintana amam-bolana

Dia i neny izay nanoro sy nampianatra ahy hivavaka
hangatahako ho amin'i Ray ny fitahiana tena miavaka

Ny tànanao manambitamby , lamosina nibaby
Ny tratranao fiondanana nahitako fiadanana

Hotahiana anie ry Neny ireny rehetra rehetra ireny
Nangatahiko mihitsy ny any ambony mba hitahy
Ireo molotra izay efa sasa-nitsiky sy nanoroka ahy
Mbola hotahiana koa reo masonao manganohano
Rehefa misy feno alahelo dia torotoro feno rano

Hotahiana anie ry Neny ireny rehetra rehetra ireny
Nangatahiko mihitsy
Mba ho heno hatrany an-danitra any
Ny hahavelomanao ry Neny ka hateza sy haharitra
Satria raha eo ianao fihantana fitosiana
Fa ny kamboty no tena fara-fahoriana



Lire la suite

Articles Similaires