• Cours de change
  • 5046.36 AR
  • |
  • $4448.45 AR
Copyright Image : © Découvrez
Image
Madagasikara

Sira : Fanadio sy fiaro amin'ny Malagasy

01/05/2025 16:16 © Moov

Fangaro fanao amin'ny laoka ny sira, na aiza na aiza manerantany. Ho an'ny Malagasy kosa, manan-kasina manokana ny sira.

Araka ny lovan-tsofina, tsy mba fampindrana ny sira, satria toy ny mizara ilay "masina" na "hasina" an'ny tena. Raha misy mangataka nefa izany, azo atao ihany ny manome, fa tsy azo avoaka mihitsy izany rehefa maty masoandro.

Fiarovana sy fanadiovana

Tsy ireo mpandala fomban-drazana ihany akory no afaka mampiasa ny sira ho fiarovana. Azon'ny rehetra atao ny manandrana azy ho "fiarovana".
Ny sira hono mantsy dia miaro amin'izay ody ratsy ataon'olona. Mitroka ireo hery mihiba ao an-trano ihany koa izy. Raha te hisitraka ireo tombontsoa ireo, fonosina anaty lambakely miloko fotsy ny sira, ka alevina eo an-tokonam-baravarana, eo am-bavahady na manoloana ny toeram-piasana manokana (tsena na toerana fanaovam-bolo ohatra).
Azo atao ihany koa ny manadio isan'andro na isan-kerinandro amin'ny alalan'ny sira. Alohan'ny hatoriana dia asiana sira ny zorony 4 amin'ny efitra tsirairay. Iray tanana ny sira zaraina amin'ireo zorony efatra ireo. Rehefa tonga ny maraina dia esorina ny sira, ariana fa tsy ampiasaina intsony.
Raha toa ka mody alina matetika na hivahiny any an-tany lavitra, tsara raha mitondra vaingan-tsira singany iray, atao am-paosy, ho fiarovana.

Hasina ao an-trano

Tsy tokony ho foana ao an-trano mihitsy ny sira, amin'ny fotoana rehetra. Mety foana izay ampiasaina na sira vovony, na sira vaingany na sira tany. Koa satria mora vidy io fangaro io, tsara raha mividy betsaka mba tsy hahafoana ny tahiry ao an-trano.

Na dia mahatsara tsiro ny ny sakafo aza ny sira, tsy azo hanina betsaka izany. Marobe mantsy ireo vokadratsin'ny fihinanana sira tafahoatra, toy ny fahatapahan'ny lalandrà any amin'ny atidoha (AVC), ny fikaran'ny tosidrà, ny aretin'ny fo/ voa/ vavony sy ny fahalemen'ny taolana. Mora fanina ihany koa ny olona tia sira loatra, indrindra rehefa mafana ny andro.

Lire la suite

Articles Similaires