28 may : Fankalazana ny Andro manerantany ho an'ny Croix-Rouge eto Madagasikara
Isaky ny 8 may ny fankalazana ny Andro manerantany ho an'ny Croix-Rouge. Ho an'ny eto Madagasikara manokana, maromaro ny hetsika notanterahina ka tafiditra ao anatin'izany ity fankalazana manakaiky vahoaka ity. Eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina ny hetsika fankalazana androany 28 may, ka misy ny fampirantiana mikasika ny asa maha-olona sy ny tolotra ara-pahasalamana isan-karazany.
Tazana hatrany ny Croix-Rouge rehefa misy hetsika lehibe mahavory vahoaka, na hetsika ara-koltoraly na fifaninanana ara-panatanjahantena. Mandray an-tanana ny fahasalaman'ny besinimaro no tena antom-pisiany, indrindra raha misy tsy fahasalamana tampoka na misy loza isan-karazany. Marihana nefa fa ny "secours" sy ny "premiers soins" no tena iandraiketan'ny Croix-rouge, ka alefa eny amin'ny toeram-pitsaboana ilay marary raha mila fitsaboana.
Tsy ny vonjy aina amina hetsika isan-karazany ihany no tena ilàna ny Croix-rouge fa eo ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo tojo fahasahiranana rehefa misy voina mitranga, indrindra rehefa misy loza voajanahary. Misy ihany koa ny fandaharam-potoana manokana amin'ny asa sosialy isan-karazany ho fanampiana ny mpiara-belona.
Croix-Rouge Malagasy, efa 60 taona mahery
Fikambanana misehatra amin'ny asa maha-olona ny Croix-Rouge Malagasy. Ny didim-panjakana 63-489 tamin'ny 7 aogositra 1963 no nahazoana alalana hanaganana izany vondrona izany eto Madagasikara, izany hoe izy no Vondrona misehatra amin'ny maha-olona (organisation humanitaire) voalohany indrindra eto amin'ny Nosy. Teny an-kianja hatrany ny ekipa tamin'ireo hetsika lehibe teto amin'ny firenena, eny na dia famoriam-bahoaka politika aza. Ny fitandrovana sy ny famonjena ny aina mantsy no tena ambony, ka mamonjy hatrany izy ireo rehefa misy voina mitranga. Araka ny tatitra tamin'ny taona 2015, maherin'ny 15 000 ireo mpilatsaka an-tsitrapo miparitaka manerana ny nosy.

Adidy sy fahaiza-manaon'ny Croix-rouge Malagasy
Manana fandaharan'asa sy tanjona mazava ny Croix-Rouge eto Madagasikara
-Fanentanana sy fanomanana ny rehetra amin'ireo loza voajanahary mety hitranga. Misy ny fidinana ifotony tanterahina amin'izany ;
-Fanavotana sy fandraisana an-tanana ireo traboina, manoloana ny loza samihafa ;
-Fanentanana ifotony mba ho fanamafisana ny firaisankina sy ny fifanoloran-tanana ;
-Fanentanana ara-pahasalamana mba ho fisorohana ny aretina isan-karazany ;
-Fampiofanana mikasika ny vonjy aina (secourisme).
Maherin'ny 1 000 moa ireo tobin'ny Croix-Rouge Malagasy manerana ny Nosy. Samy mampiasa ny fahaiza-manaony amin'ireo asa samihafa iandraiketan'ny vondrona ny tsirairay. Saika manana ny asany andavan'andro avokoa ireo tsara sitrapo mivondrona ao amin'ny Croix-rouge : mpiasan'ny fahasalamana, manampahaizana mikasika ny vonjy voina, mpanentana ara-tsosialy, mpanao asa tanana, sns. Efa misy nefa ny fandaminana anatiny ho an'ireo mpikambana rehetra. Marihana fa manana tetikasa manokana mikasika ny fanohanana ireo olona iharan'ny haintany any Atsimo ihany koa ny fikambanana.