Fotodrafitrasa : Hahazo efitrano vaovao miisa 14 ny Sekoly ambony momba ny fizahantany sy ny hôtely (INTH)
Napetraka tamin’ity anio ity ny vato fototry ny trano vaovao ho an’ny Sekoly ambony momba ny fizahantany sy ny hôtely (INTH) etsy Ampefiloha. Fanamarihana ny fanombohan’ny asa fanamboarana io fotodrafitrasa io izany. Tonga nanatanteraka izany teny an-toerana ny Minisitry ny fizahantany sy ny asa tanana, niaraka tamin’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara ary ny avy ao amin’ny Office Nationale du Tourisme de Madagascar.
Efitrano miisa 14
Entina hanavaozana ny fomba fampianarana ka hampifanarahana ny fahaizan’ireo mpianatra amin’ny filàna iraisam-pirenena ity fotodrafitrasa vaovao ity. « Hanaraka ny fenitra iraisam-pirenana ny efitrano ary hamaly ny filàna amin’ny lafiny mahaolona izay ilain’ny mpizahatany, ny mpianatra mivoaka avy ao », hoy ny Minisitra, Viviane Dewa. Ahitana efitrano fianarana miisa 14 io trano io. Hanampy izany ny laboratoara, toeram-piofanana azo hanaovana fampiharana toy ny lakozia, toerana fanaovana mofo sy ny trano fisakafoanana samihafa. Ho asiana fitaovana maoderina avokoa ireo rehetra ireo.
Nanamarika hatrany moa ny Minisitra fa isan’ny tanjona amin’ity fotodrafitrasa ity ny hananana olombelona ampy traikefa na ara-teorika na araka ny pratika. Manana tanjona ny hampiroborobo ny fizahantany mantsy i Madagasikara ka mila olona manana traikefa tsara mba hahatongavana amin’izany, hoy ny tenany. Isan’ny ilaina ity fotodrafitrasa ity izany.
Haharitra 15 volana ny asa
Goavana izany fotodrafitrasa ho amboarina izany ka haharitra 15 volana ny fanatanterahana ny asa. Tsara ny manamarika fa famatsiam-bola avy amin’ny Agence Française de Développement (AFD), no hahafahana manao ny asa, ka ny masoivohon’izy ireo miasa eto Madagasikara no nisolo tena azy. Mitentina hatramin’ny 2 tapitrisa euros na 10 150 000 000 ariary izany.
Hitohy any amin’ny faritra ihany koa ny fampiroboroboana ny fampiofanana ara-pizahantany toy izao, mba hahafahana manatratra ny tanjona mikasika io sehatra io hatrany.