Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 12 hatramin'ny 18 may 2025
Atolotra anao ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 12 hatramin'ny alahady 18 may.
Famonoana an'i Raissa # Olona akaiky avokoa ireo voarohirohy
Ny alarobia 14 may lasa teo no natolotra ny fitsarana ireo voarohirohy tamin'ny famonoana ilay zazavavikely antsoina hoe Raissa. Miisa 3 ireo nadoboka am-ponja vonjimaika, ka anisan'izany ny renibeny 68 taona sy tovolahy 2 samy 16 taona izay samy akaiky ny fianakaviana. Zanak'anabavin-drainy ny iray amin'ireo tovolahy ireo. Voalaza moa fa ahiana ny nanaovana Sorona an'i Raissa, noho io renibeny io mifanerasera amina mpitrandraka vatosoa.
Tamin'io alarobia io ihany no nanatanterahana ny fandevenana, ka nandalo teny anoloan'ny Fitsarana ireo fiara nitondra ny razana sy ny mpandevina. Nisy ireo olona niantsona nanoloana ny Fitsarana, nitondra sora-baventy nitaky ny fitadiavana izay tena marina amin'ny famonoana an'i Raissa sy i Tricha.
Fanadinana CEPE # Tontosa ny fanadinana andrana manerana ny Nosy
Niatrika ny fanadinana andrana CEPE ireo mpianatra kilasy T5 manerana ny DREN 23 eto Madagasikara, ny alatsinainy 12 sy ny talata 13 may 2025. Nizotra tamim-pilaminana izany sady tsy nahitana olana firy. Saika namonjy ny "Centre d'examen" avokoa ireo ankizy, mba hizaran'izy ireo sahady amin'ny tena fanadinana. Nanana safidy malalaka nefa ireo sekoly.
Tsiahivina fa ny talata 17 jona ho avy izao, izany hoe afaka iray volana, no andron'ny fanadinam-panjakana CEPE. Azo antoka izany fa hahazo valim-panadinana avokoa ireo ankizy manerana ny Nosy mialoha ny fetim-pirenena, ankalazaina ny 26 jona.
Fiangonana Katolika # Lamesa fandraisana ny Papa Léon XIV
Tontosa ny alahady 18 may ny Sorona Masina fandraisana ny Papa Léon XVI, tao Vatican. Natolotra azy ny « Pallium » (akanjo litorjika) sy ny « Peratra Mpanjono » (ilay peratra orohana). Saika mitovy foto-kevitra amin’ny Papa François ny Papa Léon XIV, mikendry ny fampiombonana sy fampitsaharana ady, saingy manohitra ny fiarahan’ny mitovy fananahana (homosexualité).
Ho an'ny teto Madagasikara, nanatanteraka fitokanam-bavaka tany Ampefy ireo mpino Katolika. Nandray anjara tamin'izany pelerinazy nasionaly izany ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, ireo Eveka manerana ny Diosezy 22 sy Eveka iray avy ao La Réunion, ary ny Nonce Apostolique.
Ady amin'ny kolikoly # Tatitra 2024 nataon'ny ARAI
Notanterahana ny Alakamisy 15 Mey 2025 teny Ambohijanaka ny famelabelarana ofisialy ny tatitry ny asa vita tamin’ny taona 2024 nataon’ny "Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites" (ARAI). Miisa 130 ireo fananana nogiazana, kaonty banky 323 ary fitahirizam-bola amin’ny alalan’ny finday 84. Tombanana ho 583.200.000 Ar ny sandan’ny fiara sy moto miisa 18 nogiazana, ary kaonty banky ahitana vola mitentina 297.221.957,70 Ar. Vola mitentina 123.000.000 Ar sy tombam-bidin’ireo fananana hafa noagiazana.
Nambaran’ny Filohan'ny Komity misahana ny Fitandrovana ny Fahitsiana (CSI) fa vaindohan-draharahan’ny Fanjakana ny ady amin’ny kolikoly. Noho izany, napetraka ny paik’ady vaovao ho an’ny dimy taona ho avy amin’ny ady amin’ny tsy maty manota sy ny kolikoly.
Vita Malagasy # Fahombiazana ny "Journées des Branches de Production Nationales"
Tontosa ny zoma 16 hatramin'ny alahady 18 may lasa teo ny Andron’ny Sampana famokarana nasionaly (Journées des Branches de Production Nationales). Maherin'ny 70 ireo orinasa nandray anjara, teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina.
Nandritra ny 3 andro dia nisitraka ny vokatra vokarin’ny indostria mamokatra eto an-toerana ny mpanjifa, ka saika nisy fihenam-bidy avokoa ireo entana namidy. “Vita malagasy, tiako ka arovako”, izany no teny filamatra nampitondrain’ny ANMCC, izay rafitra eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC). Manentana ny mpanjifa hanjifa ny vokatra vita malagasy hatrany ny ANMCC, satria midika ho fanosehana sy fanohanana ny orinasa mpamokatra eto an-toerana izany.
Asa sosialy # Hanao tohivakana ny fizarana tohana ara-tsakafo
Tokantrano marefo miisa 7200 avy amin'ny boriboritany voalohany sy faha-efatra no nizarana fanampiana ny alatsinainy 12 may lasa teo. Vary iray gony, menaka, siramamy ary savony no nozaraina tamin'izany. Ho fanampin’izay, mpianatra hanala fanadinana CEPE avy amin'ireo boriborintany ireo ihany koa no nozaraina kits scolaires ho fanohanana azy ireo.
Nambaran’ny Filoham-pirenena fa fanombohana ihany ity hetsika androany ity fa mbola hitohy izany eny amin’ny boriborintany hafa manerana an’Antananarivo sy any amin’ny Faritra izay samy hahazo ny anjarany avokoa. Eny anivon'ny fokontany tsirairay moa no miandraikitra ny fizarana izany tohana ara-tsakafo izany, ho an'ireo tokantrano sahirana.
BNGRC # Niatrika fiofanana ireo mampiofana
35 mianadahy no nisitraka "formation des formateurs", nifantoka tamin'ny fandrindrana sy ny fitantanana ny loza rehefa misy amehana na anaty hamehana. Traikefa izay mila ananana ao anatin'ny fanatanterahana ny asa atrehin'ny birao nasionaly misahana ny Fitantanana loza sy tandindondoza isan'ndro satria ny fanavotana aina na sauve des vies no fanamby amin'ny karazana loza sy tandindondoza isan-karazany. Nojerena tsirairay ireo karazana loza sy tandindondoza matetika ampiseho sy misy eto Madagasikara rehetra.
Dimy andro nahafahan'izy ireo nifehy izay rehetra izay no nampitain'ny ireo manampahaizana manokana avy amin'ny Sapeur Pompier France izay miasa ao amin'ny COGIC , sampandraharaha mitantana ny loza sy ny tandindondoza frantsay, mitovy tanteraka amin'ny BNGRC eto Madagasikara. Afapo ny mpiofana afapo ihany koa ny mpampiofana .
Toliara II # Fifampiresahana mikasika ny Tetikasa "Base Toliara"
Ny sabotsy 17 may lasa teo, tonga nihaino sy niresaka tamin'ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa Base Toliara ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Ny tao amin'ny Kaominina Ankilimaliniky aloha no notsidihany.
Nandritra ny fifampiresahana mivantana tamin'ny vahoaka dia notsipihan'ny Filohan’ny Repoblika fa ny tombontsoan'ireo mponina no nimasoana. Mitentina 4 tapitrisa dolara isan-taona no anaovana asa sosialy avy amin'ny tetikasa Base Toliara eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fanamboarana fotodrafitrasa fototra toy ny lalana, ny hopitaly, ny fampidirana rano fisotro madio, ny fampiroboroboana ny fambolena, sns.
Faritra Atsimo # Nandray ny filoha sy ny mpikamban'ny Governemanta
Notontosaina tany Toliara ny Filan-kevitry ny Minisitra ivelan'Antananarivo fahatelo, ny alarobia 14 may lasa teo. Sehatra maro no resahana ao anatin'ny lahadinika izay mahakasika ny fampandrosoana mivantana ny tanànan'i Toliara sy ny Faritra iray manontolo.
Ankoatra ny fanajariana ny lalana an-tampon-tanàna sy fanatsarana ny endrik'i Toliara dia nisy ihany koa ireo tetikasa fampidirana angovo avy amin’ny herin'ny masoandro sy fampidirana rano fisotro madio ao an-toerana. Anisan'ireo tetikasa goavana ihany koa ny fanajariana ireo lalam-pirenena faha-13 amin'ny ampahany mampitohy an'Ikalamainty sy Ambovombe. Tsy adino ihany koa ireo asa sosialy sy fotodrafitrasa fototra tena ilain'ny vahoaka.
Faritra Menabe # Tontosa ny fanadinana ho an'ny LTP Morondava sy Miandrivazo
Tontosa ny "contrôle continu, évaluation pratique" ho an'ireo tanora mpiofana ao amin'ny LTP Morondava sy ny LTP Miandrivazo ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'Asa Faritra Menabe. Samy naneho ny fahaiza-manaony amin'ny asa tanana mifandraika amin'ny sambo, na "atelier naval en bois", ireo mpianatra taona faharoa tao amin'ny LTP Morondava. Ny taranja informatique kosa no nisongadina hoan'ny LTP Miandrivazo.
Nikarakara sy nanara-maso akaiky ny fizotran’ny fanadinana ny DRETFP Menabe, ho fanamafisana ny kalitaon'ny fianarana sy fanofanana ara-teknika sy arak'asa. Tanjona moa ny hanomezana fampianarana azo ampiharina tsara ho an'ireo mpianatra, mba hahafahan'izy ireo miditra eo amin'ny sehatry ny asa raha vao mahazo ny BEP na Bac Technique.
Toamasina I # Nisitraka fiofanana ireo mpanjono sy tompon'andraikitra voakasika
Ady amin'ny Jono tsy ara-dalàna. Tontosa ny faha 14 may lasa teo ny fanentanana ireo fianakaviamben'ny mpanjono madinika an# dranomasina mahasika ny lalàna mifehy ny Jono tao Toamasina I, tao amin'ny CEG Ramatahitra Analankininina. Nahatratra 74 ireo mpandray anjara izay nahitana mpanjono, vadin'ny mpanjono, mpanao kinanga, olon# tsotra ary ny Lehiben'ny Fokontany.
Izao fampiofanana izao dia natao mba hirosoana tsikelikely amin'ny maha# matihanina an'ireo mpanjono sy ho fitantanana maharitra ny Jono ao amin'ny Faritra Atsinanana. Notsindriana manokana ny tsy tokony ampiasana "moustiquaire" rehefa manihika trondro, satria mahalany taranaka ireo trondro izany.
Nosy Hara # Nisokatra ny fanjonoana orita
Tamin’ny alatsinainy 12 may no nanombohan’ny vanim-potoana fanjonoana orita tao amin’ny Faritra Arovana Nosy Hara, izay tantanan’ny Madagascar National Parks (MNP). Vokatra milanja 36,544 taonina no azo tamin’ny andro voalohany nisokafan’ny jono, izay nahitana fahombiazana lehibe ho an’ny mpanjono ao an-toerana.
Anisan’ny zava-nisongadina tamin’ity fisokafana ity ny fahitana horita iray milanja 4 kilao, izay nampiseho ny haben’ny horita hita ao amin’ity faritra ity. Ankoatra izany, nahavita nanangona horita hatramin’ny 80 kilao ny mpanjono tamin’io andro io, izay porofon’ny harena sy ny fahombiazan’ny fitantanana maharitra ny Nosy Hara eo ambany fiahian’ny MNP.
Talata Volonondry # Mpisoloky nisandoka ho mpiasan'ny Jirama
Roalahy nitonona ho mpiasan'ny JIRAMA no niditra an-keriny tao amin'ny ozinina fitotoam-bary tao Avaratsena Talata-Volonondry. Niditra avy hatrany izy ireo ka nikitika ny "Compteur". Nolazainy fa nisy tsy nety io fitaovana io, ka norahonan'izy roalahy ireo mpiasa tao fa hotapahina ny jiro, sady higadra 5 taona miampy lamandy 30 tapitrisa ariary. Natahotra ihany koa ilay tompon'ilay orinasa ka nanome vola 6.200.000 ariary.
Taorian'izay dia nanadihady ny manodidina ny tompon'ny orinasa ka tapakevitra ka nametraka fitoriana tao amin'ny zandary Talata Volonondry.Efa voasambotra sady nidoboka am-ponja ilay lehilahy iray, raha mbola karohina kosa ilay namany.