• Cours de change
  • 5044.79 AR
  • |
  • $4518.09 AR
Copyright Image : © Fb
Image
Vaovao

Famonoana an'i Raissa : Efa nanana lonilony hatry ny ela ny "Cousin"-ny

19/05/2025 08:54 © Moov

Araka ny efa nampitaina, anisan'ireo tazomina am-ponja vonjimaika ny zanak'anabavin'ny rain'i Raissa, antsoina hoe Sarobidy. 16 taona io tovolahy io.

Mpianadahy iray tampo ny rain'i Raissa sy ny renin'i Sarobidy. Efa nodimandry moa ity farany, ka notaizain-drenibeny ilay tovolahy. Noho ny zava-niseho tany aloha nefa, notanterahin'i Sarobidy tokoa ny valifatiny.

Famonoana nomanina

Araka ny nambaran'ny fianakaviana, efa ela i Sarobidy no nandrahona hanatanteraka ny valifatiny. Mpisotro toaka sy nandry an-tatatra mantsy ny reniny taloha. Rehefa avy nisotrosotro sy nianjera an-tatatra ny reniny, ny renin'i Raissa no noterena hanadio ny malotony. Tsy nanaiky izany nefa izy. Nadikan'i Sarobidy ho tsy firarahiana an-dreniny izany, ary nanomezany tsiny ny renin'i Raissa ny hoe "tsy mba nokarakaraina ny reniko ka namoy ny ainy mihitsy".
Heverina fa noho izany no nandefasany ny vatana mangatsiakan'i Raissa tao anaty "Fosse" misy maloto, mba hitovy amin-dreniny izany. Efa namoaka vava ratsy hatrany i Sarobidy, ka izany indrindra no antony nanondroan'ny fianakaviana azy ho anisan'ireo nandray anjara tamin'ny famonoana an'i Raissa.

Fanaovana sorona

Mbola tsy misy porofo mazava hatreto ny hoe natao sorona marina ve i Raissa. Nanambara mantsy ny fianakaviana fa nisy tokoa ireo roalahy nivahiny tao amin'i Reniben'i Raissa, dia i Mama Holy. Rehefa nanadihady ny fianakaviana manodidina dia voalaza fa mpitrandraka vato izy ireo. Mbola nanotrona teo izy roalahy tamin'ny nandraisana ny Razana, saingy nitsoaka raha vao nahare siosio fa efa ho avy hisambotra an'i Sarobidy ny polisy.
"Ankinina amin'ny fitsarana ny famaizana ireo nanao ratsy rehetra, na iza na iza", hoy ny fianakavian'i Raissa. Mbola tsy fantatra izany hatreto hoe ny renibeny sa ny "cousin"-ny no tena tompon-kevitra tamin'izao raharaha izao.

Lire la suite

Articles Similaires