• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Fiomanana amin’ny fivoriamben’ny SADC : Miofana momba ny fiarovana olo-manan-kaja ny mpitandro filaminana

07/05/2025 16:32 © Moov

Manaraka fiofanana momba ny fiarovana olo-manan-kaja “Protection des Hautes Personnalités” (PHP) eny amin’ny Tobin’ny Commandement des Formations Spécialisées (CFS) Ivato, ny mpitandro filaminana mandritra ity herinandro ity. Tafiditra ao anatin’ny fiomanana amin’ny fandraisan’i Madagasikara, ny fivoriamben’ny SADC, izay hatao ny volana aogositra izao, izany.

Polisy sy zandary

Ahitana mpitandro filaminana miisa 20 ny mpandray anjara amin’izany. Miisa 10 ny avy amin’ny Polisimpirenena ary 10 ihany koa ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. Marihina fa firenena hatramin’ny 16 no mivondrona ao anatin’ny SADC. Izany hoe, hisy olo-manan-kaja maro, avy amin’ireo firenena ireo ho tonga eto Madagasikara. Hiasa mafy amin’ny fiarovana ireo olom-panjakana sy ireo delegasiona miaraka aminy ireto mpitandro filaminana ireto mandritra io fotoana io.
Mandritra ity herinandro ity dia hanamafy ny fahaiza-manaony sy ny traikefany izy ireo. Nankasitraka manokana ireo mpampiofana, ny talen’ny DRFC eo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nambarany fa tena ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa izao fiofanana izao. Ireo mpiofana kosa dia hampita izany fahalalàna izany amin’ireo mpiara-miasa aminy, isan’isany.
Marihina moa fa fiaraha-miasa eo amin’ny Masoivoho Frantsay sy ny mpitandro filaminana malagasy no nahafahana nanao izao hetsika izao.

Ho fivoriambe anaty filaminana

Ho fivoriambe anaty filaminana, lavitry ny korontana, no tanjon’i Madagasikara amin’io fotoana io. Ankoatra ny fiarovana ireo olo-manan-kaja dia efa nanomboka ny volana avrily teo ny fanomanana sasany hafa. Tao anatin’ny fivoriana efa notanterahina ny mikasika ny fandriam-pahalemana. Fikasana ny hametra hatramin’ny bitika indrindra ny mety ho loza na ambana manakatsakana ny fotoana. Tanjona lehibe indrindra ao anatin’izany ny hametraka an’i Madagasikara ho isan’ireo firenena azo itokisana eto Afrika. Tsara ny mampatsiahy fa handray ny fitarihana ity vondrona ity ny Filoham-pirenena malagasy amin’ity taona ity.

Lire la suite

Articles Similaires