Vatican : Papa Léon XIV, kardinaly amerikana ny papa faha-267
8 may 2025. Andro manantantara amin’ny Fiangonana Katolika. Lakolosy, horakoraka, tehaka, vavaka, ranomaso : izany no nandraisan’ireo mpino Katolika an’aliny maro ny Papa vaovao.
Roa andro ihany dia nifarana ny « Conclave » nifidianana ny Papa vaovao tao amin’ny Chapelle Sixtine tao Roma. Niisa 133 ireo kardinaly manerantany latsaky ny 80 taona izay nandray anjara tamin’izany fifidianana izany. Hipoka olona ny kianjan’i Masindahy Piera hatramin’ny omaly, nivavaka sy niandry izao vokatra izao. Ny takariva teo no nivoaka ny setroka fotsy, izay nanamarika fa nahazo Papa vaovao ny Fiangonana Katolika manerantany.
Fiadanana sy Fiombonana
« Fiadanana anie ho anareo » : izany no fehezanteny voalohany notononin’ny Papa Léon XIV. Ny kardinaly Mgr Robert Francis Prevost moa no lany Papa Ray Masina faha-267, mandimby ny Papa François. Avy any Perou, faritra Atsimon’i Etazonia ny tenany. 70 taona ny tenany izao mandray ny fitantanana ny Eglizy Katolika izao. Notsindriany manokana ny fanodinana ny fifanohanana eo amin’ny samy olombelona, izay efa natomboky ny Papa François. Azo antoka fa hampiray ny fiangonana manerana izao tontolo izao izy, ary hanohy hatrany ny fifohazam-panahy eo anivon'ny Eglizy Katolika. Namafisiny fa tanjona goavana ny Fiadanana sy ny Fiombonana manerana izao tontolo izao.
Teraka ny 14 septambra 1955 tao Chicago ny tenany. Niasa tany Pérou izy tamin’ny taona 1985 hatramin’ny 1998. Nandray asa vaovao tao Roma izy avy eo, ny taona 2001 hatramin’ny 2013. Voatendry ho Evekan’ny Diosezin’i Chiclayo izy tamin’izany. Tamin’ny 2023 ny tenany no notendren’ny Papa François ho Kardinaly. Nifanerasera tamin’ny Papa François tokoa ny Papa Léon XIV, ka heverina fa maromaro ireo fotokevitra iraisan’izy mirahalahy. Efa tsy olom-baovao ao Vatican ny Papa vaovao ka heverina fa efa mahafehy tsara ireo andraikitra sahaniny manomboka izao.
Fitarihan’ny Fanahy Masina
Na dia filoham-panjakana ao Vatican aza ny Papa Ray Masina, ny maha-lehiben’ny Eglizy Katolika azy no sarobidy indrindra. Tsy voatery nifankafantatra ireo Kardinaly mpifidy sady nofidiana, nefa dia nisy olona iray nahazo ny roa ampahatelon’ny vato. Izany indrindra no inoan’ny mpino Katolika fa asan’ny Fanahy Masina ny mibitsika amin’ireo mpifidy.
Maherin’ny 6 000 ireo mpanao gazety nahazo alalana manokana, avy amin’ny firenena maro manerantany, niandry izao fampisehoana voalohany ny Papa vaovao izao.